lundi 4 juillet 2011

TOAMASINA: Hetsika fihaonam-be nataon’ny Vondron’Olon-Tsotra

Toamasina

Hetsika fihaonam-be nataon’ny Vondron’Olon-Tsotra manohana ny Filoha Marc Ravalomanana sy mitaky ny ara-dalana omaly faha 02 jolay 2011 tamin’ny 03ora tolak'andro tao amin’ny hefitrano malalaka (Grande Salle ) sekoly David Jones ao an-tampontananan’i Toamasina I .

Ireto ny sokajin’olona tonga nihatrika ity fihaonambe ity :

1)-Ray amandreny am-panahy sy ireo Mpitandrina avy ao aminy vondrom-bavaka Toamasina miaraka amin ireo mpiandry avy ao aminy Mama Germaine
2)-Ray amandreny Tangalamena avy any amin’ny manodidina ny Cum sy ao an-tampontanana Toamasina .
3)-Ireo solon-tena mpikambana mpitsabo sy mpampianatra ary ireo olon-tsotra, mpiasam-panjakana sy ireo mpandraharaha ary mpivarotra ,mpiasa-tena sy ireo tanora very asa .

Tsara ny manamarika fa olona tsotra tsy mpanao politika ireo mivondrona ato amin’ny VOT fa tena olon-tsotra mijoro ary saika ireo olona sokajiana hoe “majorité silencieuse” no maro an’isa fa vonon-kijoro sy maharitra kosa izy ireo ankehitriny .
Marihana fa nandritra ity fihaonana nataon’ ny VOT ity dia tapaky ny be sy ny maro ary fa hisy ny hetsika goavana hotanterahina eny ivelany fa tsy ao anaty trano intsony ary hanentana ireo vahoaka Malagasy tia tanindrazana tsy an-kanavaka ry zareo. Ity fihaonam-be natao ity no namaritana ny lamina rehetra ho atao satria tsara ny manamarika fa io hetsika hatao io dia tsy an’ny VOT ao Toamasina irery fa hiaraka hietsika ny VOT manerana ny Nosy .

Manohy sy mitaky ny tolom-pahafahana tena izy sy marina ny VOT. Manamafy koa izahay ny fitakian’ny vahoaka malagasy ny ara-dàlana amin’ny safidinay olon-tsotra nifidy malalaka an i Atoa Filoha Marc Ravalomanana ary mitaky tsy misy fepetra ny fampodiana azy eto an-Tanindrazana sy ny fahafahany mirotsaka malalaka eo aminy fifidianana Filoham-pirenena ary amerenanay azy indray eo amin’ny fitondrana. Ka aminay VOT manerana ny Nosy dia mijoro ary tsy hangina na hiemotra amin’ny tolona. Tsy vita ny tolona aminay VOT manerana ny Nosy raha tsy tonga eto Madagasikara Atoa Filoha Ravalomanana Marc.

Manamafy koa izahay VOT f a mahaleo tena tanteraka amin’ny fanehoan-kevitra fa tsy miankina amin’ny hery politika fa kosa afaka miara-miasa amin izay mijoro amin’ny marina tsy mihodikodina satria izahay vahoaka mivondrona ato amin’ny VOT dia tsy nitolona hoan’ny hafa na nijoro hiaro ny tombontsoan'ny hafa akory nandritra izay 3 taona latsaka nitolomana izay. Ny Filoha Ravalomanana Marc sy ny fitiava-Tanidrzana ihany no fantatray ka miala tsiny amin ireo izay diso lalana fa mazava ny foto-kevitra sy tanjona kendren’ny VOT manerana ny Nosy.
Nandritra ity fihaonana ity ihany koa no nidiran’ny Atoa Filoha Ravalomanana Marc mivantana tamin’ny antso an-taroby nankahery sy nanentana ny vahoaka Malagasy hitandro ny fihavanana araky ny Soatoavina Malagasy ary ho sahy hijoro sy hiaro ny marina. Tsy adinony ihany koa ny nizara sy nanome ny vaovao izay mahaliana ny vahoaka dia ny resaka decision navoakan’ireo Filoham-pirenena mivondrona ao aminy SADC tao Sandton sy nanazava ny fandemen-tsaina tian’i Dr Simao natao tamin’ny vahoaka Malagasy. Nambaran’Atoa Filoha tamin’ izany fa miezaka mafy izy mitety sy mihaona amin’ ireo mpitantana maro eo anivon’ny vondrona afrikanina sy ny SADC mba hitadiavam-bahaolana haingana hivoahan’ny firenena sy ny vahoaka MALAGASY amin izao krizy izao.

Nanome toky koa ATOA FILOHA FA TSY MAINTSY TAFAVOAKA ISIKA ARY HO AVY TSY HO ELA ANY AN-TANINDRAZANA NY TENAKO HOY IZY KA HIAONA TSY HO ELA ISIKA REHETRA ? DIA SAMY HO TAHIN' ANDRIAMANITRA " .

Ankoatr’izay koa moa dia niditra nampahery sy nanome toro marika ary nampita vaovao ihany koa ny GTT INTER GE , Mr Darsot izay Filoha mpitarika ary Madame Patricia Lehmann. Mr Manoel dia niditra mivantana ihany koa avy tany an-kianja Magro Behoririka.









Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".