samedi 13 août 2011

RODOBE TOAMASINA 13/08/2011: Sary sy hafatry ny Filoha


















RODOBE TOAMASINA

Hisy vaovao tsara aorian’ny 17 août izao

Ny tolakandron’ny asabotsy 13 aogositra, vory maro tao amin’ny kianjan’ny Magro Toamasina ny Rodoben’ny vahoaka Malagasy ho an’ny Tanindrazana. Akony:

-Ampahany amin’ny kabarin’ny Filoha Ravalomanana Marc : Eo ampanangonana ireo Dossiers homena ny Vondrona Afrikanina amin’ny 17-18 izao zaho io miresaka aminareo io. Raha sori-dalana tsy asiam-panitsiana tsy hanao sonia an’izany ny tenako. Tsy misy fankatoavana iraisam-pirenena izany eto raha tsy mbola tafody eto Madagasikara izahay aty am-pita sy mivoaka ireo gadra politika rehetra.

-Davy : Misaotra ny Arema manitsaka ity tokotanin’ny Magro ity, tanteraka tokoa ny fampihavanam-pirenena.

-Aimé, zanak’i Dada avy any Toliara: Hatramin’ny Repoblika voalohany, tsy mbola nahita fahantrana tahaka izao aho.

-Jean Baptiste: Aza manaiky rebireben’ny Arema sandoka izay mitady hanakorontana ny Rodobe sy mitady hanakana ny camarade Arema rehetra tsy hiara-dia amin’ny Rodobe.

-Radebason Michel( Ratsirakiste): Mifona tanteraka amin’ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny ekipany rehetra hatramin’ny taona 2002 ka hatramin’ny taona 2009 aho.

-Dahy Emilien : misy miteny hoe tsy mankasitraka ny Rodobe Amiraly Ratsiraka, lainga izany. Olona te handrebireby tolona ataontsika no miezaka mamafy izany lainga izany..

-Victor Hong( rahalahin’i Kotomanantsoa Remi): Vao 1 volana sy tapany nahazoan’i Rajoelina ny fitondrana, efa nanohitra aho. Natao mahola zaho satria tsy tokony hiaraka amin-dRavalomanana hono, zareo miara-dia amin’ny FAT ireo no mahola fa tsy izaho Victor Hong. Tsy nankasitraka ny fandrobana ny fananan’ny Filoha Ravalomanana zaho : norobaina Port, norobaina lafarinina, vary, sns. Fitondran’ny Jiohalim-boto no misy eto Madagasikara. Olona mpamadika tanindrazana ry Yves Aimé sy ny ekipany ireny.Ravain’ny FAT ny ati-alan’ny bois de rose ao aminay ao Mananara-Avaratra ao.

Hotanteraka ny tenin’i Pr Zafy nilaza tamiko izay hoe : hiray latabatra amin’ny Filoha Ravalomanana ianao Victor Wong tsy ho ela na dia nanohitra azy mafy aza tamin’ny 2002-2009. Vonona ny tenako hiaraka indray amin’ny vahoakan’i Toamasina hampody eto Madagasikara ny Filoha Ratsiraka sy ny Filoha Ravalomanana. Miverina amin’ny taniny ny Jiosy. Ataontsika koa ny fomba rehetra tsy ahafahan’i Rajoelina hitsoaka any ivelany raha mbola miziriziry, tsy maintsy ho tsaraintsika eto Madagasikara izy.

-Me Rasamimaka Mahefalahy: Mifona amin’ny ekipan’ny Président Ratsiraka koa izahay TIM Toamasina raha toa ka nisy tsy nety na nisy fihetsika tsy nahafaly anareo tamin’ny 2002-2009. Misaotra manokana ny Président Zafy izay miezaka hatrany hampihavana ny vahoaka Malagasy rehetra. Tsy mifarana ny tolona raha tsy miverina ny ara-dalàna. Hisy vaovao tsara aorian’ny fihaonana any Angola amin’ny 17 -18 août io.

-Kotomanantsoa Remi : Manomboka amin’ity androany ity TSY KIANJAN’NY MAGRO intsony no iantsoana ity toerana ity ivoriantsika ity FA KIANJAN’NY RODOBE. Hivoaka avy eto ny fandresena.


Hafatry ny Filoha:

Président Ravalomanana Magro Toamasina 13 août 2011

2 commentaires:

  1. MISAOTRA TANTERAKA ERAM-PO ERAN-TSAINA FA MIFANARAKA EVOTRA SY FANAHY NY MALAGASY TIA TANINDRAZANA SY TIA NY MARINA SY NY FITSARANA ARADALALANA NY ZON'NY OLOMBELONA SY NY MPIRAY MONINA SAMY MALAGASY ARY FANDRIAMPALEMA TANTERAKA SY MAHARITRA HATRANY;
    SAMY HO TAHIN'I ANDRIAMANITRA MARINA BE FITIAVANA ARY BE FAMINDRAM-PO. AMENA

    RépondreSupprimer
  2. ADY TAGNY CUR TOAMASIGNY
    KA RAH MITAPY NY FAT MANINO KALE MANGALATRA TANY MAGNANTOMPO EFA HO 1500 OLO ANTRANO EO AMIN'NY CUR TOAMASIGNY
    MPANOLONTSAIGNY AMINA MINISTERE MINE VAKEO AMENAGEMENT TERITOIRE NO MIVOLAGNA HIVIDY IO TANY MISY ANE IO
    AFAKI DEU SEMAINE (DEBUT SEPTEMBRE) HIJOTSO AMIN'IO CUR TOAMSIGNY IO JIABY ZAHE MIANTSO NY OLOBE AMIN'NY TANY ZAHE HANAVOTRA ZAHE

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".