dimanche 21 août 2011

RODOBE TOAMASINA 20/08/2011: Sary sy laha-teny

ZAFY ALBERT

Tsy manaiky ny maha filohan’ny FAT an’i Rajoelina.

Vonona hitarika ny governemanta iraisana

Nahoraka ny tao amin’ny kianjan’ny fihavanana( Kianjan’ny Magro Toamasina) ny asabotsy 20 aogositra. Nifamotoana tao ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana Toamasina. Niditra mivantana ny Filoha Zafy Albert sy ny Filoha Ravalomanana izay nampiarahina tamin’ny tao Antananarivo.

-Filoha Ravalomanana: Tsy tokony hiteniteny foana intsony ireo mpilaza vaovao manohana ny FAT. Mazava ny zavatra tapaky ny SADC tany Luanda 17-18 août izay nanamafy ny zavatra tapaky ny CPS. Hamafisina ny fanelanelanana. Tsy to teny eo anivon’ny SADC intsony i Simao. Tondro zotra nasiam-panitsiana no haroso hatao sonia, efa eo ampandaminana ny amin’izany ny SADC.

-Filoha Zafy Albert: tafiditra ao anatin’ny afera bois de rose io koa ny Minisitry ny fitsarana satria managadra ny madinika fa miaro ny vaventy. Ambaraka ho rentany ho rendanitra fa TSY MANAIKY NY MAHA FILOHAN’NY TETEZAMITA AN’I ANDRY RAJOELINA INTSONY NY TENAKO ary vonona hitarika ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena.

-David, Filohan’ny Rodobe Analanjirofo: vonona hitsena an’i Dada sy Deba izahay any amin’ny Faritra Analanjirofo. Misy ireo TIM sandoka miezaka mamafy lainga any Analanjirofo: tsy menatra akozy i VyVavto, ry Impirina Jean de La Croix , ry Rasomôtra nandalo tao Fenoarivo-Atsinanana tamin’ity herinandro ity nilaza fa izy ireo hono no tena TIM.

-Mme Hanitra: manentana antsika viavy jiaby hanohy hatrany ny tolona ho fametrahana tetezamita iraisana.

-Dahy Emilien: Fihavanana no mahatonga ny movansy Ratsiraka niditra ato anatin’ny Rodobe.

-Me Rasamimaka Mahefalahy: miisa 35 pejy ireo Dossiers nalefan’ny Filoha Ravalomanana tany amin’ny SADC. Tao anatin’izay ny fitondrana fanazavana mahakasika ny ataon’ny mpikambana sasantsasany ao amin’ny fanelanelanana ho tsy matotra.

Sao misy manao dika vilana Vakiana eto koa ny fanambarana navoakan’ny SADC tany Luanda fa tondro zotra nasiampanitsiana ankehitriny no haroso hamahana ny krizy eto Madagasikara.

-Kotomanantsoa Remi: amin’ny asabotsy 27 août, ho avy eto amintsika eto Toamasina ny Filoha Zafy Albert ka entanina sahady isika eto Toamasina.

Nagonin’i Mika( Toamasina)

Sary:

rephotosrodobetoamasinaomaly rephotosrodobetoamasinaomaly rephotosrodobetoamasinaomaly rephotosrodobetoamasinaomaly rephotosrodobetoamasinaomaly rephotosrodobetoamasinaomaly rephotosrodobetoamasinaomaly rephotosrodobetoamasinaomaly rephotosrodobetoamasinaomaly rephotosrodobetoamasinaomaly rephotosrodobetoamasinaomaly rephotosrodobetoamasinaomaly rephotosrodobetoamasinaomaly rephotosrodobetoamasinaomaly rephotosrodobetoamasinaomaly rephotosrodobetoamasinaomaly




Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".