KOTOMANANTSOA REMI
Miray tsikombakomba amin’ny Filohan’ny FAT i Mamy Rakotoarivelo
Tsy mety ny hangina amin’izao toe-java-misy eto amin’ny firenena izao hoy Kotomanantsoa Remi, Filohan’ny Rodobe Toamasina. Nisy ny tafa mivantana nataony avy any Antananarivo tamin’ny mpanao gazety teto Toamasina ny alarobia 7 desambra tamin’ny 3 ora hariva.
Hentitra ny filazana fa miray tetika amin’ny Filohan’ny FAT i Mamy Rakotoarivelo. Fositra amin’ny Rodobe io fihetsika ataon’i Mamy Rakotoarivelo io, hoy hatrany ny fanazavan’i Kotomanatsoa Remi. Ity farany izay nanipika mazava tsara fa raha lany Filohan’ny CT i Mamy Rakotoarivelo dia midika izany fa nisy baiko midina nataon’i Andry Rajoelina amin’ireo olona ao anatin’ny CT mba hifidy an’i Mamy Rakotoarivelo. Sary izay maneho avy hatrany fa misy firaisan-tendro tanteraka ity Filohan’ny ankolafy Ravalomanana ity sy ny Filohan’ny FAT satria ny olon-dRajoelina no maro an’isa ao amin’ny CT.
Nanamarika koa ny tenany fa tsy olana aminy ny tsy nandefasan’ny Filoha Zafy Albert lisitra ho CT na CST satria mbola petatoko ny zava-misy eto Madagasikara ka tsy maintsy alamina aloha vao miditra ao ny ankolafy Zafy.
Nilaza koa i Kotomanatsoa Remi fa raha ho an’i Toamasina manokana tsy ho rava mihitsy ny Rodobe. Ny asabotsy ho avy izao, hidina any Toamasina tenako hanao tatitra amin’ny mpiara-mitolona rehetra ao amin’ny Magro Toamasina. Araka ny filazany hatrany « hiala tsy ho CST ireo avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ».
Noraisin’i Mika(Tamatave)
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire