Pages

samedi 7 septembre 2013

Kabarin'ny Filoha RAVALOMANANA - Magro - 07/09/2013

Ireto amin'ny ambangovangony ny votoatin'ny hafatra nampitain'ny Filoha Ravalomanana tamin'ny vahoaka teo Magro androany Sabotsy 07/09/2013


  • Tsy ekena io fifidianana io fa tery vay manta no atao amintsika,
  • Tsy hitondra vaha-olana ny fifidianana manilikilika,
  • Nisy taratasy nosoratana nalefa any amin'ireo mpitondra ao amin'ny SADC milaza fa tsy mety io fifidianana io,
  • Tsy marina ny nolazain'i Chissano hoe efa mandeha ny fanatontàna ny "bulletin unique",
  • Tsy miraharaha izay "sanctions" any aho, hoy izy fa ny fantatro dia tsy mety io fifdianana io,
Ho an'ny rehetra:
  • Samy tokony haneho ampahibemaso, ho ren-tany, ho ren-danitra isika Malagasy hanohatra io fifidianana io amin'ny herintsika rehetra,
  • Sahia mampiseho izany,
  • Sahia mitarika izany,
  • Tsy misy mihitsy ve mba sahy mijoro fa manana ny hasiny ny Malagasy, manana ny lalam-panorenany i Madagasikara ?
  • Manantena aho fa fantatrareo ny tiako ho lazaina

Ho an'ny mpitarika:
  • Tsy hoe lehibe akory ianareo fa mba manana ny feony koa ireo vahoaka ireo,
  • Samia mieritreritra tsara
Fanohanana Kandidà:
  • Tsy nisy fanapahan-kevitra noraisina,
  • Tsy misy toro-marika nomena,
  • Misy mandika vilana ny sasany,
Firaisankina no tokony tandrovina mandrakariva

PRM - 0709


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire