Pages

dimanche 23 novembre 2014

MADAGASIKARA - Hetsika fanoherana Antananarivo, Taolagnaro, Antsirabe (21/22 nov 2014)

Tsy mionona ny Tia Tanindrazana fa maneho hatrany ny tolona ataony hanoherana ity fitondrana jiolahimboto ity. Toerana maro teto amin'ny Nosy no nanaovan'izy ireo izany fihetsiketsehana izany (Antananarivo, Taolagnaro, Antsirabe) ary maro tokoa izy ireo no nidina teny an-dalambe nitondra sora-baventy mitaky ny:
- Famoahana ny Filoha Ravalomanana sy ireo vogadra tsy ara-drariny,
- Fametrahana ny fampihavanam-pirenena ho eo am-pelatanan'ny FFKM.

- Tsy fanekena intsony ny mianjady amin'ny vahoaka Malagasy.
Isaorana manokana ireo mahery fo Tia Tanindrazana ireo. Ary anjarantsika Malagasy tsirairay avy no mandray andraikitra hanatevin-daharana azy ireo mba hanavotana ny Firenena izay latsaka an-davaka tanteraka.


MITOHY HATRANY NY TOLONA.


MADAGASIKARA HO AN'NY MALAGASY

 


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire