jeudi 12 août 2010

FANAMBARANA ANKOLAFY RAVALOMANANA

Manoloana ireo feo izay mivoaka nanomboka tamin'ny fihaonana teo amin'ireo mpanao politika
sasantsasany teny amin'ny lapa teny Iavoloha ka hatramin'izao fivoriana eny amin'ny trano fivoriana
hiraisam-pirenena eny Ivato izao, dia manao izao fanambarana izao ny ankolafy Ravalomanana.



Ny ankolafy Ravalomanana dia tsy nanome tso-drano ary tsy mbola nanome alalana mpikambana ao
aminy hanatrika ny fihaonana sy ny fivoriana izay tanterahin'ny antoko politika sasany eto amin'ny
firenena. Ireo izay manatrika izany fivoriana izany dia tsy amin'ny anaran'ny ankolafy Ravalomanana
fa amin'ny anaran'ny tenany manokana. Noho izany dia tsy anisan'ireo manaiky izay zavatra tapahana
amin’ity fivoriana eny Ivato ity ny ankolafy Ravalomanana, ka na dia misy aza ny sonia izay ho
tanterahina dia amin'ny anaran’ny mpanatrika manokana ihany koa izany fa tsy nifampierana tamin'ny
filoha mpitarika na ny ankolafy velively.

Natao izao fampitam-baovao izao mba hanazavana ny sain'ny maro mahakasika ny fisian'ireo
mpikambana sasany ao amin'ny ankolafy Ravalomanana, manaraka ny fivoriana izay ataon'ny antoko
politika sasantsasany eny Ivato.
ananarivo, faha 12 Aogositra 2010
Ankolafy Ravalomanana
Ny mpitondra teny
Guy Rivo RANDRIANARISOA

FANAMBARANA-Aout2010


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".