Miarahaba ny Vahaoka Malagasy tsy vaky volo aho, ary manao antso avo amintsika Malagasy rehetra tia Tanindrazana hiray hina, ka hijoro hatramin’ny farany amin’ny fitakiana ny famerenanana ny Fanjakana tan-dalàna amin’ny fomba demokratika sy ny fanajana ny zon’olombelona.
Iaraha-mahita ny zavamisy sy ny fahasahiranana manjo ny Vahaoka Malagasy tao aorinan’ny fanonganam-panjakana sy ny fakana an-keriny ny fahefana tamin’ny volana Martsa 2009. Mbola mitohy mandrak’ankehitriny ny fampitahorana, ny fisamborana, ary ny fanagadrana tsy amin’ny antony.
Tamin’ny Alakamisy lasa teo dia nosamborina Ingahy Fetison Rakoto Andrianirina, Chef de délégation, izay voatendry co-président tamin’ny herintaona katroka, i Zafilahy, Président de groupe parlementaire, Pasteur Edouard, ary olona 16 hafa. Tsy fisamborana na fanagadrana no vahaolana amin’izao krizy izao. Manameloka tanteraka ny fisamborana sy ny fanagadrana azy ireo isika, ary mitaky ny famoahana azy rehetra tsy misy hatak’andro, ary tsy misy fepetra.
Manao antso avo aminareo Foloalindahy aho, izay tandroka aron’ny vozona, ary kitro ifaharan’ny Firenena. Sahia mijoro ianareo, hiaro ny Vahaoka tsy mandady arona, izay ianjadian’ny fahasahiranana goavana ankehitriny nohon’ny fanonganam-panjakana tsy voahevitra, ka nampidi-kizo tanteraka ny Firenena Malagasy. Tsy mbola nisy fahantrana sy fijaliana toy izao teto amin’ny tany sy ny Fanjakana.
Manainga anareo aho hanarina ny tany tan-dalàna sy manaja ny zo fototra maha olona, mba hiverenan’ny fahatokisan’ny vahaoka anareo indray, hamerina amin’ny laoniny ny endriky ny mpitandro filaminana, ho mpiaro ny olona sy ny fananany, ary ny fiariany ianareo.
Amin’izany, dia aoka ianareo hitandro lalandava ny firaisankina, ka hanaja ny soatoavina ara miaramila, ary ny sata repoblikana.
Manao antso avo aminareo Ben’ny tanana aho. Ianareo no olomboafidy akaiky indrindra ny Vahaoka. Mahalala sy mahita ny manjo azy ireo ianareo. Koa raiso ny andraikitra. Ampahalalao ny zavamisy marina ny Vahaoka, mba tsy ho tompo trano mihono.
Miray feo amin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena isika, toy ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Afrikana, ny Vondrona Eropeana, ny SADC, ny OIF, ary ny Amerikana, izay nanao fanambarana mazava teto Antananarivo fa tsy mankasitraka velively izao fitondrana tsy ara-dalàna izao. Miray feo amin’izy ireo isika, tsy manaiky ny fomba namoronana sy fomba fiasan’ireo andrimpanjakana misy ankehitriny.
Miantso ny Vahaoka Malagasy amin’izao vanimpotaona sarotra eo amin’ny tantaran’ny Firenentsika izao aho, ka hiray hina sy hijoro amin’ny fitakiana ny famerenana ny tany tan-dalàna sy ny fitantanana demokratika, araky ny Lalampanorenana Malagasy.
Miantso ny rehetra aho hiray feo amin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena, hanohatra ny fitsapa-kevibahaoka, na ny referendum, sy ny fifidianana Ben’ny tanana, izay fanapaha-kevitry ny HAT samy irery, na “decision unilatérale”, ka tere-komasaka sy anaovana amboletra fotsiny izao, nefa tsy vonona akory na ny lisi-pifidianana na ny kara-pifidianana, ankoatran’ireo olana maro tsy ho ary voatanisako eto.
Miantso ny Ben’ ny tanana ary aho, hiray feo, ka hihevitra toy ny tsy misy ny référendum sy ny fifidianana izay Ben’ny tanana kasain’ireo mpitondra tsy ara-dalàna atao.
Ianareo Chefs Fokontany, izay miaina miaraka amin’ny Vahaoka, ary mahalala ny mangirifiry sy ny manjo azy ireo. Henoy ny feon’ny fieritreretanareo. Aza manaiky hiray tsikombakomba amin’izay teti-dratsy tsy hahasoa ny Vahaoka sy ny Firenena Malagasy ianareo. Mijoro amin’ny hevitrareo. Vonjeo ny Vahaoka Malagasy.
Miantso anareo Mpitondra fivavahana, ny Vahaokan’Andriamanitra rehetra, ny Ray aman-dreny, ny tanora, ary ny olon-tsotra tsy an-kanavaka aho. Masina ny Tanindrazana, koa toroy sy lazao ny zava-marina sy ny zava-misy ny Vahaoka. Averiko eto indray, mbola tsy nisy fahantrana sy fijaliana toy izao teto amin’ny tany sy ny Fanjakana Malagasy.
Aoka ho samy tompon’andraikitra isika rehetra, ka tsy ho voafitaka fanindroany indray amin’ireo lainga be afafy sy ny volabe aparitaka etsy sy eroa.
Tsy hisy mpanara-maso iraisam-pirenena ho tonga akory eo. Hevero toy ny tsy misy izany referendum izany. Mijoro hatrany amin’ny fitakiana ny famerenana ny tany tan-dalàna sy ny fitondrana ara-dalàna, ara demokratika, ary ny fanajana ny maha olona ny olona.
Homba antsika anie Andriamanitra!
Marc RAVALOMANANA
Filoha voafidim-bahoaka
---------------------------------------------------
Inscription à :
Publier les commentaires (Atom)
Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire