dimanche 28 novembre 2010

Transcription de la communication du Président Ravalomanana du 27 Novembre

Le Président Elu Marc Ravalomanana rejette la nouvelle feuille de route de la France

Selon le Président Elu Marc Ravalomanana:

"27 états membres de l’Union Européenne sont prêts à nous aider. Un seul d’entre eux refuse les efforts développement réalisés jusqu’ici à Madagascar.

On me propose 15 millions d’€ pour rentrer à Madagascar, me restituer ou me faire rembourser mes biens volés ou incendiés et le tout à condition que je ne me présente plus jamais comme candidat à la Présidentielle.

Pour conclure il marque un dernier point:

« Je reviendrai à Madagascar car ma patrie et la terre de mes ancêtres sont à Madagascar»


Miarahaba anareo izay tonga mivory ao aho !


Ny zava-dehibe indrindra dia ny fitiavan-tanindrazana, tsy maintsy mijoro hatramin‘ny farany ho an‘ity firenena ity isika. Mbola manome hery anareo foana aho fa ny fitiavana ny taranaka no maha-malagasy ny malagasy. Hatramin‘ny maha malagasy ny malagasy dia mbola tsy nisy fitondrana nanao toa izao, na dia tamin‘ny taona 47 aza.

Misy feo tonga aty amiko manao hoe „omenay vola ianao Atoa Filoha hamerenanao ireo fanananao may sy simba ireo na ohatrinona na ohatrinona, raha toa ka hody any Madagasikara ianao ka tsy mirotsaka ho Prezidà-ny Repoblika“. Novaliako azy fa „tsy ny fitiavana ho tonga Filohan‘ny Repoblika no mahamaika ahy fa ny hanavotana an‘i Madagasikara toy izay efa nataonay nandritra ny 7 na valo taona“.

I Maorisy sy La Réunion no tena fantatr‘izao tontolo izao fa tsy i Madagasikara talohan‘ny 2002. Tiako ny manamarika fa nanao izay azo natao isika hidita ho mpikambana ao amin‘ny SADC. Fantatro fa mampandroso ny firenena Afrikana ny vondrom-paritra toy ny SADC, COMASA, CDAO sy ny vondrona maro hafa koa dia niditra i Madagasikara amin‘ireo vondrona ireo. Nolazaina anefa fa tokony hamafisina ny COI. Firenena vitsy ny COI izay tsy ahitana afa tsy Maorisy, Seisela ary Komaoro ka tsy afaka hilahatra amin‘ny firenenay, hoy aho.

Tsy makany La Réunion na Parisy ny 99% ny Malagasy. Tsy mety ny manaiky fontsiny manao hoe „yes man“ na „oui monsieur“. Ny nampandroso an‘i Madagasikara dia nohon‘ny fananako ny maha-izy ahy sy ny fahafahako mifidy izay tany tiako aleha fa tsy hiera. Izany no nahazoantsika ireny fientanan‘ny harikarena mahatratra 7%. Izany no nahazoantsika fanampiana hanaovana sekoly avy tamin‘ny Amerikana sy ny Norvezianina izay Madagasikara no voalohany nahazo ny MCC. Tsy fitiavam-bola na seza no mibaiko ahy, fa fitiavana hiasa hanavotana ny firenena.

Minoa ianareo, henoy tsara aho. Na dia sarotra aza ny lalana dia mijoroa noho ny fitiavana ny firenentsika.

Manao izay azoko atao aho aty noho izany.

Tsy azo atakalo vola na amidy i Madagasikara.

„Ohatrinona hoy izy no tadiavinao ?“

Nolazainy fa omena 1.500.000.000 € na $ ny tenako, vola mariky ny firaisan-kina omen‘ny OIF. Tsy mahaliana ahy izany, tsy mampahery ahy izany.

Koa mamahafantatra anareo aho fa ho tonga aminareo izao hafatra izao hoe „ekeo io drafitra io fa izao no fepetra“. Aza manao izany taratasy izany. Efa nanao sonia izy (Rajoelina) tany Maputo fa nivadihany. Izany ve no làlan‘ny demokrasia ? Tokony hitovy hevitra isika.

Firenena firy moa aty no manantona ahy miangavy hanaovana drafitra toy ny MAP.

Mangataka fiaraha-miasa amiko izy ary milaza ireo fa hanome tany. Ampianaro anay ny fitondrana nataonao taloha. Madagasikara no jereko.

Maheno aho aty fa misy ao amin‘ny Mouvance Ravalomanana efa manaiky izany drafitra izany ary milaza fa manaiky koa ny tenako. Tsy marina izany na natao izay hampitana vaovao. Mety hisy iray na roa voasarika amin‘io hevitry ny Frantsay io. Tsy maintsy jerena izany.

Tsy ny izao fifidianana izao fotsiny no mahamaika ahy. Ny zava-dehibe dia ny hahitana sy hamerenana ireo vola avy amin‘ny Fitondrana Amerikana sy Japoney.

Hanampy antsika koa ny Vondrona Eoropeana. Misy 27 izy ireo. Firenena iray monja amin‘izy ireo no tsy manaiky ny zavatra vitantsika hatramin‘izay.

Lazaiko ianareo fa vao avy nandray ny delegasionina Alemana aho. Koa milaza aminareo aho hoe mijoroa foana aza kivikivy izany fa atanjaho ny saina. Tsy maintsy vitantsika io.

Vao teo koa aho no niresaka tamin‘ny Talen‘ny Radio Fahazavana Andriamanitra andrintsika manam-pinoana. Koa mamahery anareo aho hoe ataovy izay vitanareo any.

Ny arosony ao dia hoe araho ity drafitra ity. Drafitra frantsay io, tsy ekena. Ny lalana arahin‘izany dia makany amin‘i GIC sy any Addis Abeba aloha vao hanaovana fanapahan-kevitra. Ka ny vahoaka malagasy no tompon‘ny fahefana. Ny Ankolafy Ravalomanana tsy manaiky izany koa aleo ny vahoaka no Andriamanjaka hifidy anaty fifidianana malalaka. Misy fitaka be ao. Fa satria ve izy nanohana ahy dia hanamby ahy ! Fitiavako io. Alaivo saina tsara fa hoe tena mafy amin‘ny fianakaviako ny te hody sy ny Tiko. Ny antony tsy hanodinako an‘io dia tsotra mamiko ny aiko. Betsaka loatra ny fahavoazan‘ny malagasy 20 tapitrisa. Fa ry zareo aty milaza amiko fa averina hody ny fianakaviako averina amiko ny Tiko. Ny mahamaika ahy dia ny hamonjena ny vahoaka malagasy. Ny hanesorana ny merisenera, hanjakan‘ny demokrasia sy ny fahalalahana hiteny, fa tsy ny fisamborana lavareny izao.

Tsy maintsy mody aho raha vao tafatsangana ny tetezamita iraisana.

(tehaka)

Ny antony tsy ahafahako mody ankehitriny dia satria arovan‘ny SADC ny aiko. Nanome miaramila hiambina ahy ny SADC raha vao mipetraka ny tetezamita.

Tsy maintsy mody any aho fa any tanindrazako

2 commentaires:

  1. Je suis d'accord avec vous monsieur RAVALOMANANA.

    RépondreSupprimer
  2. Ekena avokoa izay voalazan'ny Prezidà voafidim-bahoaka fa tsy ireny hafatsen'ny mpandrombam-panjakana ireny.Misaotra azy ary ho ela velona anie izy fa izahay hiezaka hatrany ny hanohana azy amim-bavaka sy fahendrena nampianariny.

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".