vendredi 24 décembre 2010

Ihanta Randriamandrato: Poème . Soutien fraternel à tous les prisonniers politiques

“Atolotro ho an’ny GADRA POLITIKA
Satria ataoko fa mitovy vetso isika”.

NOELY ANATY FONJA

Hono e ! azafady indrindra, teny kely monja:
Dia z’inona aminao moa ny hanaovako Noely àty anaty fonja ?
Fa dia nodradraina ! Natao isam-baovao nalaza sy narevaka,
Natao toa lela antsy izay nahodinkodina hankarary nofo reraka …

Eso ve izany ? Sa tsindry hazolena, sa sehonkerisetra,
Sa tsy hita intsony izay heverina hoe mafy sy amboletra
Hamolahana ahy sy ny namako izay akanga miara-dia
D’izay no hitanao fa hangidy indrindra hamingana ahy ity ?

Angambany tokoa fantatrao fa mafy izany hoe “gadraina” !
Angambany tokoa fantatrao ihany fa dia mihatra aman’aina
Ka afapo ianao, nisafosafo saoka, fa nahavita zavatra
K’iny fisamboran’iny no nohoverinao fa tena tonga lafatra.

Ny fanirianao mantsy dia ny handavo, hamotipotika
Ny hevitra mba nentiko hamitrànana ny simba efa rotidrotika,
Dia ny fiainam-pirenena izay jeren’ny maro fa latsaka ambany,
Mihemotra, Marary. Miantsoantso vonjy mitady zahatra* hiafaràny.

Tsy zakanao izany hoe : aoka hototofana ny hantsana mangitsoka
Hita tsotra izao fa mibàna* hianjerana toa tsy hisy hafitsoka.
Tsy zakanao satria mbola milomano anaty vola be
Ianao sy ny havanao. ‘Nareo mikirakira harena tsy voafehy.

Noely ity mandalo … Noely hafakely amiko manokana
Ato am-poko ato, fantaro, tsy miova : ny hevitro dia tokana
“Mila vonjy maika ny maro amintsika, d’ireo mangirifiry
Tsy manan-kanin-kohanina fa fongana avokoa ‘zay kely mba tahiry”.

Ka ny Noeliko ato, asiako ranomaso, rakofako fisaonana
Hisaonako anareo, milomano anaty vola ‘zay tolorako fisaorana
Satria ahafantarako ny anton’ny Noely ho an’ny olona rehetra
D’ireo madio am-po, sy tsotra toy ny zaza, sy ireo mazava toetra.

Mbola hisy Noely hafa hivadibadika ao, an-taona maromaro
Mbola hisy anjely hilaza, sy koa mbola hitory fiadanana, fantaro!
Amin’izay Noely izay, samy ahatsiaro isika, mety hifankahita
Amin’izay Noely izay mety hifanojo isika, hijery zava-bita,

Ka izaho ahatsiaro fa naiditrao tany anaty fonja
Fa ao anatinao, mety hisy kosa henatra hanonja … !!!

= IZAHO IHANY =

*Zahatra: vatan-kazo atao fitàna ambony rano.
*Mibàna: misokatra be.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".