lundi 7 février 2011

My dago: Révelations de Professeur Zafy Albert sur le 26 janvier et le 7 février

Profesora Ampamoaka !
vii 11 110204 Serasera mirindra Vala’ndresaka nataon’ny Filoha Zafy Albert tao amin’ny Carlton 03.02.11

3 février 2011by Solo Razafy, my dago


Conf Presse Pdt Zafy au Carlton 03 fev 11
Nitondra fanazavana mahakasika ny raharaham-pirenena tamin’ny vahoaka nanatrika azy sy ny mpanao gazety maro be tao amin’ny Hotely Carlton ny filoha teo aloha Zafy Albert.

Na dia notadiavin’ny FAT ho sakanana aza ny fihaonana, tongavan’ny ekipan’ny FAT, Zazah Ramandimbiarison mihitsy mba tsy hahazoan’ity « Rain’ny Demokrasia » ity maneho hevitra dia tanteraka ihany tamin’ny ora farany.

Nanao ampamoaka lehibe momba ny fanondranana an-tsokosoko ny ‘andramena’ ny filoha. Nandefa horonan-tsary fanadihadiana mahakasika ny tsy mety sy ny afera maizina momba ity bolabola ity ka teo no nahafantarana fa i Andry Rajoelina mihitsy no ati-doha mikotrika ny fanondranana ity hazo sarobidy ity.

Nanao jeri-todika ihany koa mahakasika ny raharaha momba ny 26 Janoary 2009 sy ny 07 Febroary 2009 ny tenany.

Nambarany tamin’izany fa nisy andian-jatovo 300 mahery teto nofanina hanakorontana sy handroba teto Antanananarivo ka mpikambana iray ao amin’ny FAT ( Alain Ramarson ? ) no namolavola izany, efa noketrehina mialoha hoy izy fa ny rnm sy tvm ary ny mbs no hodorana mialoha amin’izay tsy afaka mifanerasera amin’ny vahoaka ny filoha, avy eo ny fananany manokana mba hampalemy azy.

Nahitsy ihany koa izy nanambara fa tsy ny mpiambina ny lapan’Ambohitsirohitra no nitifitra ny vahoaka ny 07 Febroary fa efa taty amin’ny sisiny roa, io hoy izy dia fifanarahana nataon’ny FAT tamin’ny « francmaçon » , mila manao sorona olona 40 mba hampahomby ny tolona sady tsy hisy famatsiam-bola rahateo raha tsy vita io sorona io, araka ny fitsanganana vavolombelona nataon’ny Profesora.

Noararaotiny ihany koa ny nanome ny heviny mahakasika ilay tondro zotra hivoahana amin’ny krizy novolavolain’ny Dr Simao, « tsipahanay marindrano io » ary tsy hisy hiditra amin’izany hoy ny tenany.

Nofaranany tamin’ny teny hoan’ny vahoaka ny resaka, « ampy izay ny roa taona » mifohaza sy mijoroa hoy ny Pr Zafy Albert, tsy mila an’i Andry Rajoelina ny vahoaka Malagasy !

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".