jeudi 24 février 2011

Taratasy Ravalomanana nadika avy amin'ny teny anglisy:

Andriamatoa Filoha Chissano sady Rahalahy,


Misaotra anao aho, ary misaotra ihany koa ny Filoha Emilio Guebuza noho ny fanampianareo ka nahantanteraka ny fitsidiako anareo teto Maputo tamin'ny 22 Febroary 2011.

Averiko eto indray fa mahatoky anareo tanteraka aho, Atoa Filoha Chissano, ary mahatoky koa ny mpiaramiasa aminao, momba ny vahaolana amin'ny krizy any Madagasikara ary ho ataoko izay mahamora ny asanareo.
Araka ny efa nolazaiko imbetsaka, dia vonona aho hiarahiasa amin'izay rehetra mikatsaka ny demokrasia, ny fandriampahalemana, ny fahatoniana ( security and stability ) any Madagasikara mba ahafan'ny vahoaka malagasy hiarahiaina indray ao anatin'ny fandriampahalemana sy fiarahamonina tsy misy raorao.

Fantatsika tsara fa niova tanteraka ny fiainana politika any Madagasikara nanomboka tamin'ny taona 2009. Maro ny antoko politika madinika vao noforonona ary miankina arabola amin'ny HAT. Izany no mahatonga azy ireo ho maika dia maika hanao sonia ny feuille de route izay nolavin'ny Mouvances telo.

Atoa Filoha Chissano, fantatro tsara fa amin'ny alalan'ny fifidianana malalaka sy mangarahara izay tokony andraisan'ny Malagasy rehetra anjara malalaka no làlana ivoahana amin'ny krizy. Manoloana izany anefa dia tsy misy demokrasia na fanjakana tandalàna any Madagasikara ary na dia ny Fitsaràna aza dia matin'ny kolikoly; izany rehetra izany dia vato misakana tsy hampisy ny fifidianana malalaka sy mangarahara.

Noho ireo antony voalaza ireo dia tokony atao ampitandremana ny Feuille de route ary koa tokony atao ho laharampahamehana ny fanafody ialàna amin'ireo vatomisakana efa voalaza ireo mba ahatonga ny fifidianana ho malalaka sy mangarahara.
Ny Feuille de route izany dia asiana arofanina ary ao anatin'izany arofanina izany ny Komisiona mahaleotena tanteraka ka hanaramaso ny fifidianana.
Ny Mouvances efatra ihany no tokony hanendry ny membre sy ny hanondro ny asa ho sahanin'io Komisiona io.

Ny zavatra voalohany tokony ataon'io Koamisiona io dia ny handinika akaiky izay nataon'ny HAT nanomboka tamin'ny taona 2009 mombamomba ny fifidianana ary hanao listra fifidianana vaovao sy tena azo antoka.

Ny Asa izay ho ataon'ny Tetezamita tena izy dia ny fikarakarana ny fifidianana malalaka sy mangarahara.

No izany rehetra izany, ny asan'ny Filohan'ny Tetezamita dia tokony ho faritana amin'ny ho amin' ny fitantanana ny raharaha andavanandro ( affaires courantes ).
Ny Filohan'ny Tetezamita dia tsy mahazo manao contrat afatsy momba ny fikarakarana ny fifidianana. Izany dia efa voarakitra sy neken'ny rehetra tamin'ny Satan'i Maputo. Izay fanapahakevitra raisin'ny Filohan'ny tetezamita dia tsy maintsy ifanenken'ny membren'ny governemanta.
Raha misy fanovana ny satan'ny Filoha tetezamita dia ny Ankolafy efatra no tsy maintsy mifanaraka momba izany.

Ny Feuille de route dia tsy ho azo ekena raha tsy mitondra ny sonian' ny Mouvances Ratsiraka, Zafy Albert sy Ravalomanana satria ireo Ankolafy ireo no Antoko politika lehibe sy azo antoka. Noho izany ny hevitray momba ny hitantanana ny Tetezamita dia tsy maintsy atao ao antin'ny Feuille de route.

Noho izany dia takianay ny fihaonan'ny Chefs de file'n'ny Mouvances efatra any Madagasikara miaraka amin'ny Mpanelanelana mba hahatomombana ny Feuille route izay atolotra ny SADC rehefa vonona.
Io fihaonan'ny Chefs de file efatra io dia ho karakarain'ny SADC miaraka amin'ny Communauté internationale.
Ny Filoha Ratsiraka sy izaho dia efa vonona ho any Madagasikara noho ny fangatahan'ny SADC. Takianay anefa ny fiantohana ny securiténay sy ny an'ny mpanampy anay rehefa tonga any Madagasikara izahay.

Atoa Filoha, mbola averiko etoana indray fa vonona aho hitondra ny anjarabirikiko amin'ny famahana ny krizy any Madagasikara. Izany no anton'ny nangatahako ny Fihaonan'ny Chefs de file n'ny Mouvances Efatra any Madagasikara.
Matoky aho fa ny dinika amin'ny samy Malagasy dia hitondra vahaolana maharitra.

Misaotra indrindra tamin'ny fandraisana mafàna sy ampiralahiana nataonao tamiko sy tamin'ny mpiaramiasa amiko teto Maputo 22 Febroary 2011.

Raiso Andriamatoa Filoha ny haja ambony atolotro anao.

Sonia : Ravalomanana

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".