mardi 31 mai 2011

TOAMASINA: RODOBEN’NY MALAGASY TIA TANINDRAZANA

Androany 30/05/11 tolakandro, namory mpanao gazety tao amin’ny
Restaurant Univers Toamasina ireo mpitarika ny ankolafin-kery telo
Toamasina sy ireo fikambanana miara-dia amin’izy ireo mivondrona ao
anatin’ny RODOBEN’NY MALAGASY TIA TANINDRAZANA.

Nazava ny resaka :
Tetezamita mandé ila no misy eto Dago. Misy andian’olona mitady tsy
hampahomby ny gaborone. Tsy azo ekena ny hitohizan’ny krizy. Raha
mbola mitohy ny fiziriziriana ataon’ny FAT hirotsaka an-dalambe ny
rodombe Tia tanindrazana Toamasina.

Hentitra ny tenin’i Iandro Roberson Pierre dit Sôla Mena(Mouvance Ravalomanana): marary ny
firenena matoa misy rodom-be. Nangina izahay nandritra ny fotoana maro
ka raha ditra no tadiavina izahay koa mba mahay ditra. Nanao antso avo
amin’ny miaramila koa i Sôla Mena mba tsy hiditra lalina @ zao krizy
izao fa avelao ny samy sivily hifampitady eto.

Voahangon'i Kamy

CONFERENCE DE PRESSE NY MPITARIKA NY RODOBE
-Ramatoa Razanarajo Yvonne Arlette (mouvance Ravalomanana)
-Dahy Emilien(mouv. Ratsiraka)
-Kotomanantsoa Remi dit Lolone(rahalahin’i Victor Wong-mov. Zafy)
-Iandro Roberson Pierre dit SOLA MENA(mouv. Ravalomanana)
-Radebason Michel (mouv. Ratsiraka)
Tao koa ireo association maro be miara-dia : CRN, Jeunes Betsimisaraka
Unis(JBU), Rassemblement des Jeunes Toamasina(RJT), GAJEB, Zaza
Mahazo Onondraha(ZMO), sy ireo maro hafa.
Tonga tao koa ireo mpitrandraka safira ao amin'ny carrière Ivoloina
Tamatave II izay ezahina faritra atsinanana esorina ao amin'ny carrière
ary efa nandefasana miaramila matetika ho fandroahana azy ireo. Ireo
miaramila koa manao hetraketraka amin’izy ireo.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".