Ho an’ny KRISTIANINA SY NY VAHOAKA MALAGASY
“Aoka ny fihavanana no hifamatoranareo, dia hazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy Masina ianareo” (Efez.4:3)
Mamangy sy miarahaba ny Kristianina sy ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka ny FFKM amin’izao Pentekosta 2011 izao.
Amin’ny maha-Mpaminany sy Raiamandreny azy, ny FFKM dia miteny amin’ny Kristianina sy ny vahoaka malagasy mba hampahatsiahy ny sitrapon’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.
Mahatsapa ary ny FFKM fa :
Miha-potika ny fiaraha-monina sy ny toe-karena; mahazo toerana ny fifandrafiana sy ny fisaratsarahana; manjaka ny tsi-fahamarinana amin’ny endriny samihafa; mitombo ny herisetra sy ny tsi-fandriampahalemana; tsy misy hasina intsony ny ain’olombelona; miantraika eo amin’ny fiainanan’ny isan-tokantrano sy ny vahoaka malagasy izany rehetra izany. Mizotra mankamin’ny fahapotehana ny firenena.
Tsy hajain’ny maro intsony na dia ny didy folon’Andriamanitra aza.
Toa ataon’ny mpanao politika sasany kilalao sy itadiavana tombon-tsoa ny fiainam-pirenena ka ny vahoaka malagasy no mahita faisana.
Manoloana izany dia manambara amintsika ny FFKM fa:
Baikon’ny Tompo ho an’ny olombelona rehetra sady asan’ny Fanahy Masina ny fibebahana (Mk. 1:14-15; Jn. 16:8; Asa 3:19). Aoka ny tsirairay handini-tena ka hijery izay tsy mety nataony sy mbola ataony eo amin’ny fiainany sy ny fifandraisany amin’ny mpira-belona eo anatrehan’Andriamanitra ary hamantatra ny helony sy hiala amin’ny fahadisoany. Mahatsara ny fifandraisan’ny mpiara-belona izany, no dingana mitondra ho amin’ny fifamelan-keloka,
Ny Fiangonana tsirairay ihany koa dia entanina handini-tena sy hibebaka, hiseho ho ohatra sy hitaiza ny zanany, ho sahy hanitsy sy hiteny ary hitarika azy ireo hatrany ho any amin’ny fiainam-pibebahana. Satria izany no lalana hitanay lalana hitanay hitondra antsika hiaina ny fifamelan-keloka fototry ny fampihavanana.
Manamora ny fifamelan-keloka amin’ny samy olona ny fiaikena heloka amin’Andriamanitra (Mat 18:21-35). Mila mahatsiaro ho tompon’andraikitra manoloana ny zava-miseho ny tsirairay. Miantso fifamelan-keloka eo amin’ny ankohonana, eo amin’ny fiangonana, sy ny fiaraha-monina ary ny Firenena ny FFKM .
Noho izany
Ny FFKM dia manentana sy manainga ny fiangonana hitaiza ny olona rehetra ho amin’ny fahamarinana , ho fanandratana ny fanahy maha-olona.( (Sal 119: 160) hiverenan’ny fiadanana indray.
Ny FFKM dia hanao ho vaindohan-draharaha ny fanatanterahana ireo voalaza ireo eo anivon’ny fiangonana sy ny fiaraha-monina
Eto am-pamaranana dia indraminay ny tenin’ny Apostoly Paoly ao amin’ny Rom.12:2 izay mitaona antsika hihavao saina sy fo tanteraka hahaizantsika mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.
Koa “meteza hovan’Andriamanitra isika” . Izany teny izany indrindra no nofidin’ny FFKM ho teny fanevan’ny Komity Foibe faha-34 sy ny Zaikabe faha-VII izay hatao any Ambositra ny faha 21-25 Novambra 2011 ho avy izao.
Ho Pentekosta mitondra ny rivotry ny fihavaozana ho amin’ny fiadanana ary mandrava ny efitry ny fisaratsarahana anie ity Pentekosta 2011 ity.
Ny Fanahin’ny Tompo Tsitoha anie hanafy hery sy hanolo-tsaina ary hitarika antsika amin’ny marina rehetra
Natao teto Antananarivo androany faha 12 Jona 2011
Ireo Filoham-piangonana
Atoa Lala Haja RASENDRAHASINA, Pastora Dr RAKOTO Endor Modeste
Mpitandrina (Filohan’ny FJKM) (Filohan’ny FLM)
Inscription à :
Publier les commentaires (Atom)
Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire