dimanche 17 juillet 2011

TOAMASINA 17 JOLAY 2011: Hetsiky ny Ankolafy Ravalomanana sy ny mpiaradia aminy

Miredareda ny fanantenan'i Toamasina miandry ny fiavian'ny Filoha. Nandray anjara tamin'izany koa ny GTT INTER GENEVE:

Ny tolakandron’ny alahady 17 jolay 2011, nifamotoana teny Botanika ( Verrerie) Toamasina ireo mpikatroka eo anivon’ny Movansy Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy. Tonga niatrika io fotoana io koa ny mpitarika ny movansy Ratsiraka Toamasina( Dahy Emilien), ny mpitarika ny movansy Zafy Albert Toamasina( Kotomanatsoa Remi).

Kabary sy lahateny:

-Mme Tiana, TIM Fénérive-Est : Vonona hitsena an’i Dada izahay zanak’i Dada ao Fénérive-Est.

-Vondron’Olon-Tsotra( VOT): mifameno isika rehetra ho fampahombiazana ny tolona.

-Chantale, TIM Toamasina: Ela izay nitenenana teto ho avy Dada. Tsy votsotra eky ity fa tsy mantsy ho tonga izy.

-Rangitason, MFM Toamasina : Tapidalan-kaleha ny FAT, tsy maintsy ho avy Dada hamaha ny olana eto Madagasikara. Tsy mivadi-belirano aminy ny MFM Toamasina.

-Ndiamahazo Mickaelys dit Kamy, filohan’ny GTT Toamasina : Mazava ny fanambarana navoakanay eo anivon’ny GTT International Genève ny asabotsy 16 jolay fa tsy tokony hitsabahan’ny COI sy OIF ny famahana ny krizy Malagasy. Fitadiavana tombotsoan’i La Frantsa manohana ny FAT no ambadik’ireo satelitany ireo. Miantso ny filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikanina( CPS) koa isika mba hijery fomba rehetra ahafahana mampihatra haingana ny zavatra tapaka tany Sandton dia ny fanitsiana ny Feuille de route sy ny fepetra rehetra ahafahan’i Dada mody ampilaminana tanteraka eto Madagasikara. Omena amin’ny Communiqué navoakan’ny birao foibe GTT International Genève ianareo rehefa avy eo.

-Iandro Roberson Pierre dit Jeneraly Sôlamena : Hatramin’izay ny tolona rehetra nataoko dia namokatra avokoa. Tsy maintsy mandresy isika. Ho avy i Dada fa ny fiarovana azy manoloana ny hetraketraka ataon’ny FAT sy ny fampandaniana azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena no himasoantsika amin’izao.

-Dahy Emilien , lehiben’ny movansy Ratsiraka Toamasina : raha vao miteny movansy Ratsiraka tsy afaka tsy hiteny ny movansy Ravalomanana sy movansy Zafy. Ireo telo miaraka no tompon’ny vahaolana amin’ny krizy Malagasy. Ho avy Dada sy Deba miomana antsika hitsena.

-Kotomanantsoa Remi, movansy Zafy no sady lehiben’ny rodobe Toamasina : miara-miasa akaiky ny rodobe sy ny hery velona politika rehetra mba hanoherana ny FAT. Tsy avelantsika ho maty momoka ny tolona raha tsy mbola tafaverna eto Madagasikara ireo ray aman-drenintsika mbola any ivelany.

-Me Rasamimaka Mahefalahy: Mampatsiahy ny tantara aho : tsy nandafo tany tamin’ny Daewoo izany ny fitondran’ny Filoha Marc Ravalomanana. Izao FAT izao no mpandroba firenena. Vao roa taona izay ity tetezamita ity efa misy mpitondra ao anatiny manana Villa sy fiara maro be. Resabe ny fanakanana afera bois de rose izany : io bandy kely ( Andry Rajoelina) io daholo no ambadik’io resaka bois de rose io. Manao antso avo amintsika rehetra aho mba hanamafy hatrany ny tolona ary manafatra sahady mba ho vonona amin’ny fitsenana an’i Dada mba hisian’ny tetezamita tena izy sy hirosoana amin’ny fifidianana tena izy ho famerenana ny tena Safidim-bahoaka.

- Senateur Ravatomanga, filohan’ny movansy Ravalomanana( niditra mivantana avy tany Tanà) : Fandresena lehibe ho an’ny rodobe ary indrindra ho an’ny movansy Ravalomanana iny fivoriana tany Addis abeba farany teo iny izay nanamfy ny zavatra tapaka tany Sandton. Mahazo mody amin’ny fotoana rehetra ny Filoha Marc Ravalomanana izany no izy. Tsy nametraka fepetra ny CPS. Midika izany fa tsy misy tetezamita izy eto raha tsy ao any ankolafy telo. Tsy maintsy ovaina ny firafitry ny andrimpanjakana rehetra: governemanta, CT, CST. Tsy fitadiavana seza no ataontsika anatin’ny movansy Ravalomanana fa kosa tsy manaiky izao fitondrana petatoko ataon-dRajoelina izao.

SARY:

articlesphotosmovansyravalomananatoamasina 2



1 commentaire:

  1. ENY MARINA DIA TENA MARINA AVOKOA IZAO TENY REHETRA ETSY AMBONY IRETSY OHATRA :
    "manafatra sahady mba ho vonona amin’ny fitsenana an’i Dada mba hisian’ny tetezamita tena izy sy hirosoana amin’ny fifidianana tena izy ho famerenana ny tena Safidim-bahoaka...."

    ELA VELONA ANIE NY MPONINA REHETRA TIA TANINDRAZANA ETO MADAGASIKARA SY ERAN'IZAO TONTOLO IZAO.

    "NODY VENTINY NY RANO NATSAKAINA"

    MIENO NY VAVAKA AVY AMIN'IREO FON'OLONA TIA NY MARINA SY NY RARINY ARY MIARO NY ZON'NY OLOMBELONA ARY TIA NY FANDRIAMPALEMANA I ANDRIAMANITRAN'I JESOSY KRISTY MAHEFA IZAO TONTOLO IZAO.

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".