lundi 22 août 2011

NIresaka mivantana tamin'ireo Mpitolona VOT tao Belo ny Filoha



Betsaka tokoa ny fanontaniana napetraky ny mpitolona tamin'ny Filoha raha niresaka sy nifanakalo hevitra mivantana izy ireo tamin'ny Asabotsy 20/08/2011 lasa teo.

Hoy ny valin-tenin'ny Filoha:
" Manome toky anareo Malagasy ny tenako fa hiverina tsy ho ela eto an-Tanindrazana miaraka amin'ireo mpiara-miasa amiko ary koa ireo sesitany politika rehetra. Manamafy aminareo koa aho fa mbola vonona ny hilatsaka hofidiana ary manome toky anareo vahoakan'i Menabe ao Belo-Tsiribihina fa tsy maintsy ho tsidihako ianareo ary aty aminareo no ho tsidihako voalohany indrindra rehefa tonga any Madagasikara ny tenako."

Afa-po tokoa sy nahazo hery ny mpitolona tao an-toerana tamin'izany ary nambaran'izy ireo fa vonona ary efa mihomana ny hitsena sy handray an'Atoa Filoha ny vahokan'i Belo-Tsiribihina .


1 commentaire:

  1. Tea mahafinaritra tokoa fa efa miparitaka ny fanentanana hatrany Tsiribihana rehetra any. Manantena ny fahalanian'i Dada indray isika. Ny angatahina amin'ny VOT fotsiny, dia aza asiana olona Tiako i Madagasikara re ao fa mba mihetsehaq isika hitrandraka ireo olona tsy mpanao politika te hivondrona hanohanana an'i Dada e! Sao voafitaka fotsiny mantsy ny GTT mpanohana sy ny Filoha fa hay ny TIM ihany no angonina sy avondrona ao, dia fauché daholo ny calcul. Avelao ny antoko hanao ny asany fa izaho manome courage an'i Mme Sarah hidina hjitrandraka ireo olontsotra tena manohana an'i Dada. Tsy hainao anie io politika i Mme Sarah fa ny COM no hainao e. Aza miditra amin'io fa jereo ireo olona tena matotra hatonina. Mankahery anao foana na izany aza satria fanatray ny effort hataonao.

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".