dimanche 7 août 2011

RODOBE TOAMASINA: Alahady 7 Aogositra 2011


Hifarana amin'ny volana août ity ny krizy.

Ny alahady 7 aogositra, nifamotoana tao amin'ny tokotany malalaky ny Magro Tanambao V Gare routière ny Rodoben'ny vahoaka Malagasy Toamasina. Nisongadina nandritra ny lahateny ny Hifaranan'ny krizy amin'ity volana aogositra ity. Nosantarina sy nofaranana tamin'ny vavaka ny fihaonana.

Mme Arlette: Tsy azo ekena intsony : sady tsy te hiala amin'ny fitondrana Rajoelina no efa mikotrika hangala-bato. Manentana antsika vehivavy rehetra hanamafy ny rodobe. Efa tsy 28 volana izay intsony, dia ho azontsika ny fandresena. Araraotiko etoana ny misaotra ny tanora rehetra ao anatin’ny GTT International Genève Toamasina amin’ny fiaraha-mitolona sy ny fanohanana hatrany ny Rodobe Toamasina.

Mme Jeanne, TIM Tanà: Mila mandray anjara mavitrika amin'ny tolona isika vehivavy. Isika vehivavy no tena mahita fa efa anatin'ny vilany ny fahantrana.

-TMT Barikadimy : mijaly vao mahazo bourses izahay mpianatra ao Barikadimy. Tamin’i Dada anefa nisy hatrany ny vahaolana. Manolotra fisaorana manokana an’i Me Rasamimaka izay miezaka manampy anay mpianatra ao Barikadimy.

Radesabon Michel: Tsy ekena intsony ny fanalavana ny tetezamita.

-Guy Maxime Ralaiseheno( niditra mivantana): Tsy maintsy atao eto Tanà ny fanaovantsonia ny tondro zotra nasiampanitsiana ary amin'ity volana août ity izany. Tsy azon'ny FAT ihodivirana intsony ny famahana ny krizy miaraka amin'ny Filoha telo lahy. Tsy mandika ity volana août ity , hisy fifanarahana politika tsy maintsy hatao sonia hamaranana ny krizy.

-Me Rasamimaka Mahefalahy: manaonao foana ry Rajoelina. Zo avy aiza no ametrahana azy ho filohan'ny filan-kevitra ambonin'ny Fitsarana?. Rajoelina no olona tokony tsaraina.Hivory mahakasika ny raharaha Madagasikara indray ny SADC. Tsy afaka hanohitra ny tapaky ny CPS tany Addis-abeba farany teo ny Troika-SADC. Mahakasika ny raharaha 7 febroary 2009, efa mandeha ny fanadihadiana ataon'ny CPI. Mifarirotra mafy ry Rajoelina sy ny ekipany. Tsy mila ny FAT ny mponin'i Toamasina. Amin'ny alahady 14 août izao, haneho ny fahavononantsika sahady isika eto Toamasina hiomana hitsena ny Filoha Ravalomanana sy ny Filoha Ratsiraka. Hihetsika ny rodobe isam-pokontany ho fanatanterahana izany.Efa répétition fitsenana makotroka azy roa lahy io hataontsika amin’ny alahady io.

-Iandro Roberson Pierre dit Sôlamena: Efa tafatsangana tamin'ity herinandro ity ny Rodobe Faritra Analanjirofo. Fambara loza ho an'ny FAT ny fanehoan-kevitr'ireo ray amandreny najoro( ray aman-dreny mijoro) izay efa manomboka mamaky bantsilana ny tsy fetezan-javatra eto amin'ny firenena.

-Dahy Emilien : Anamboarana fasana ihany no mba nanapahan'ny Razambe Malagasy ny Andramena satria hazo fady.Tamin'ity FAT ity anefa mirongatra mafy ny fanapahana sy fanondranana. Tsy faly amin'izao zavatra ataon'ny FAT izao Zanahary sy ny Razana.

-Kotomanantsoa Remi: Mivaralila ny FAT. Efa mitady vola amin'ny bois de rose entina hitsoahana any ivelany ny sasany.Manao antso avo amin'ny camarade Arema koa ny tenako mba tsy ho voarebirebin'ireo milaza aza ho Arema mialokaloka ao amin'ny FAT. Ireo Arema sarintsariny ao amin'ny FAT ireo dia miezaka mandrara anareo camarade Arema eto Toamasina tsy hiaraka amin'ny rodobe. Aza manaiky voarebirebin'izany.

Album RODOBE TOAMASINA 07082011
RODOBE TOAMASINA 07082011 RODOBE TOAMASINA 07082011 RODOBE TOAMASINA 07082011 RODOBE TOAMASINA 07082011 RODOBE TOAMASINA 07082011 RODOBE TOAMASINA 07082011 RODOBE TOAMASINA 07082011 RODOBE TOAMASINA 07082011 RODOBE TOAMASINA 07082011 RODOBE TOAMASINA 07082011 RODOBE TOAMASINA 07082011 RODOBE TOAMASINA 07082011 RODOBE TOAMASINA 07082011 RODOBE TOAMASINA 07082011 RODOBE TOAMASINA 07082011



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".