mercredi 14 septembre 2011

14/09/2011: Hetsiky ny VOT mitaky ny fampiharana ny tapaka tany SANDTON




Nidina an-dalambe ny  VOT sy ireo fikambanana nanohina ny antso tao Antananarivo. Notakian'ny vahoaka tamin'izany ny fampiharana mazava hatrany ny tapaky ny Filoham-pirenena ao amin'ny vondrona SADC tany SANDTON.


Niala tao Antohomadinika ny Diabe rehefa avy nivory dia nizotra nankeny amin'ny Magro Behoririka. Nasehon'ny vahoaka ny SADC tamin'ity Hetsika ity indrindra koa sady nohamafisiny nandritra ny dia ny hoe: "TSY MAINTSY MODY RAVALOMANANA! SANDTON IHANY! SANDTON HATRANY!


TSY EKENA NY FANAOVANA SONIA NY TONDROZOTRA TSY MIFANARAKA AMIN'IZAY TAPAKA TANY SANDTON.






HETSIKA VOT DIABE 14092011



1 commentaire:

  1. Misaotra sy midera ny FITIAVAN-TANINDRAZANA misy ao aminareo ny tenako ary mankahery anareo hatrany, ka tohizo ary aza matahotra intsony fa tsy maintsy mandresy ny tolona ary ho avotra i Madagasikara malalantsika satria ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY no naniraka anareo satria i Dada no tinendriNY hitantana an'io FIRENENA MANANKASINA io . Koa dia mahereza fa ho an'ny taranantsika no matimatesana toy izao .
    Na aiza na aiza dia mitafia an' ANDRIAMANITRA hatrany sy i KRITY TOMPO fa izy mianaka hatrany no mitantana ny diantsika mba ahazoana ny TANJONA dia ny FAHAFAHANA tanteraka sy hampandroso an'i MADAGASIKARA malalantsika

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".