dimanche 25 septembre 2011

HETSIKY NY VOT TOAMASINA 24/09/2011 (Sary sy Hafatra)


Nanao hetsika nidina an-dalambe ny VOT TOAMASINA ny asabotsy 24/09/2011. Nanomboka teo amin’ny Hopitaly kely ny filaharana ka niafara teny amin’ny kianja Magro Salazamay.
Nifantoka taminy fanamafisana ny fitakina ny fodian'ny Filoha Marc Ravalomanana eto an-Tanindrazana tsy misy fepetra ary ny famoahana an’ireo gadra politika mbola any amponja tsy misy hatak'andro ny hetsika natao.
Tsy eken’izy ireo koa ny hanomezana vahana an’ireo mpanongam-panjakana ary toheriny marindrano ny fihetsika ataon’ireo manamboninahitra miaramila izay tsy manaja ny soatoavina sy ny sata mifehy azy ireo fa miditra mivantana amin’ny sehatra politika. Satria fiarovana ny tombotsoan’olom-bitsy fotsiny izany amin izao fitondrana izao ka manakorontana ny saimbahoka tsy mampisy fitonina eto amin’ny tany sy ny Firenena Malagasy.

Hafatra:
Mitohy ny tolona koa manainga ireo vahoaka Malagasy rehetra manerana ny Nosy sy any am-pitandranomasina mba ho sahy hijoro hiaro ny Tanindrazana sy ny hoavin’ny taranaka faramandimby hitakiana ny tena fahafahana marina eto amin’ny tany sy ny Firenena ary koa hanoherana ny fanjanahana ataon’ny mpanjanaka izay manosihosy ny zon’olombelona, tsy manaja ny soatoavina maha Malagasy. Koa mijoroa, masahia fa
Masina ny Tanindrazana. 















Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".