dimanche 11 septembre 2011

RODOBE TOAMASINA: Laha-teny


Manome herinandro ny FAT

Nafana ny teny amin’ny kianjan’ny Magro Toamasina ny asabotsy 10 septembre lasa teo. Tonga nizara vaovao ho an’ny mpitolona teto Toamasina ihany koa ireo ekipa Rodobe foibe izay nahitana an’i Pasteur Edouard, Henri Randrianjatovo depiote Faratsiho ary Rodin izay depiote voafidy tao Arivonimamo. Tsy manadino an’I Toamasina ny Filoha Ravalomanana. Nisy ny fidirana mivantana nataony.

Filoha Ravalomanana: Tsy hanao sonia aho raha tsy mazava ny zavatra hosoniavina. Ho avy any Madagasikara ny Troika hijery akaiky ny tena zava-misy marina ary hanaraka azy ireo rehefa avy eo ireo minisitra eo anivon’ny SADC. Misy misandoka ny antoko TIM. Vonona aho handray anjara amin’ny tetezamita iaraha-mitantana ho fanavotana ny firenena.

-Dahy Emilien : misy mpanao politika mpamosavy. Mpamosavy satria mampijaly ny vahoaka Malagasy.

-Mahasahy Chantal: potika i Toamasina. Miha mitombo ireo mpitsindroka sakafo simba ao Bazar Kely ao.

-Hortine: Olo tsy mahay raha no mitondra antsika amin’izao fotoana izao ka tsy mahagaga raha mivarina an-kady i Madagasikara.

-Fulgence, Filohan’ny fikambanana Groupement et Association des Jeunes Betsimisaraka Unis( GAJEB) : Commandant ntsambo 4 no nisy teto Madagasikara : ny iray rain’ny fanjakana mizakatena sy ny fanapariaham-pahefana, nofinganin’ny sasany dia dobo ilay sambo nentiny. Ny faharoa: rain’ny fitetezam-paritra ( madaraid) sy ny Demokrasia, nofinganin’ny sasany dia difotry ny rano ary tsy tody tany amin’ny aleha ny sambo. Ny commandant faha-3 dia rain’ny fanamboaran-dalana sy fananganana orinasa. Ity farany izay mbola nofinganin’ny sasany koa. Ny faha-4 bandy kely commandant rain’ny fandrobana ary saika ireo ekipa niaraka tamin’ny sambo 3 rendrika teo aloha koa no ekipany ankehitriny. Ho rendrika tsy ho ela koa io Sambo farany io.

-Rakotoniaina Bienvenue José, Filohan’ny TMT Université Toamasina : Mijaly izahay mpianatra. Tsy misy vola intsony ny fanjakana hampandehanana araka ny tokony ho izy ireo Universite rehetra eto Madagasikara. Vonona izahay hijoro hamerina ny Filoha roalahy eto an-tanindrazana.

-Rangitason: Fanjanahan-tany frantsay amin’ny endriny vaovao no tanjon’ny FAT.

-Radebason Michel : ho an’ny mpanao politika ao amin’ny FAT mbola te ho avotra sy tsy te ho rendrika: mametraha fialana dieny izao.

-Me Rasamimaka Mahefalahy: io diso miziriziry io no haharendrika an’i Rajoelina. Tsy maintsy ho tody soa eny amin’ny tany Kanana ny vahoaka Malagasy.

-Henri Randrianjatovo: tsy nofinofy velively ny fiverenan’i Dada eto Madagasikara. Ho avy izy.

-Pasteur Edouard: Rajoelina no nahatonga ny krizy. Vahaolana: ongotantsika tsy ho eo amin’ny Fitondrana intsony Rajoelina. Rajoelina izay mpivadibadi-dela ka tsy ho ho tafavoaka velively ny firenena raha mbola izy no eo.

-Deputé Rodin, Arivonimamo: Orinasa maro no saika aorian’ny Filoha Ravalomanana teto Toamasina. Very anjavony ireny noho ny fanonganam-panjakana nation-dRajoelina. Hifarana izao krizy izao satria na ireo ao anatin’ny FAT aza efa miady an-trano. Mpanao politika midaty vola sisa no mankany Ambohitsirohitra. Dadradradraina hoe : vary manara-penitra, hopitaly manara-penitra, kianja manara-penitra, lapan’ny tanàna manara-penitra nefa ny an’ny Toamasina mihatona ny asa. Ka raha zah ela Andry Rajoelina dia mametra-pialana amin’ny manara-penitra ihany koa.

-Professeur Fanony Fulgence, tompon’ny Radio Feon’i Toamasina: Olon-tsampona izay olona tsy tia fampihavanam-pirenena. Zaza sampona Rajoelina. Izay mitsipaka fampihavanam-pirenena aoka izy hisintaka.

-Kotomanantsoa Remi dit Lôlône, Filohan’ny Rodobe Toamasina: ampy izay ny fandeferana nataontsika eto Toamasina. Hiala nenina farany amin’ny FAT isika. Omentsika herinandro izy ireo hisaintsainana na hiroso amin’ny fiaraha-mitantana na mbola hiziriziry. Tsy asiantsika fihaonana eto amin’ny Magro amin’ny asabotsy 17 septambra izao. Aorian’io raha mbola miziriziry ny FAT, HIROTSAKA AN-DALAMBE ISIKA VAHOAKAN’I TOAMASINA. Tsy hanaiky intsony isika. Vonona izahay ekipa Rodobe hitarika antsika vahoaka.

Nangonin’i Mika( Tamatave)




Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".