jeudi 24 novembre 2011

24/11/2011: Hetsika nataon'ny VOT teo anoloan'ny Masoivoho Afrika Atsimo - Ankorondrano


Nanantontosa  hetsika ( sitting) teo anolohan’ny toeram-piasan’ny Masoivoho Afrika Atsimo tetsy Ankorondrano ny Vondron'Olon-Tsotra (VOT) eto  Antananarivo  ny Alakamisy faha 24/11/11 taminy 10 ora maraina .

Nisy ny filanjana  soram-baventy ( banderole) nanehoan’izy ireo ny hevitra sy ny hetahetan’ny vahoaka madinika sy olon-tsotra fa tsy mahavaha olana mihitsy io Governemanta sadasada najoron’ny FAT  sy Omer Beriziky io fa vao maika aza hanampy trotraka ny olana efa misy. Satria mamboly krizy indray nefa ny eo aza tsy voavaha nandritran’ny 3 taona nisehoan’ny fanonganam-panjakana. Izao anefa ny Vahoaka dia efa mijaly  ary tsy zaka intsony ny vidim-piainana fa mitombo andro aman’alina ny fahantrana mianjady aminy.
Ka noho izany, amin’ny maha solontenan’ny TROIKA sy SADC ny Masoivoho Afrika atsimo  eto Madagasikara no nahatonga azy ireo nanatanteraka izao fitokonana sy filanjana sorambaventy izao mba anehoana fa mjaly ny vahoaka ary mila hafainganina ny fametrahana ny birao maharitry ny SADC  eto Madagasikara.

Nohamafisiny tamin’izany koa fa tsy misy afa tsy ny fihaonana an-databatra boribory  ( Sommet) ny  lehiben’ny ankolafy 4 miarahalahy ihany no hamahana ny olana (Ravalomanana Marc , Ratsiraka , Zafy Albert, Andry Rajoelina) ary namafisin’izy ireo fa hatao eto Madagasikara io fa tsy any ivelany satria vaha-olana samy Malagasy no ilaina.

Notakian’izy ireo tamin’izany koa ny tokony hananganana Governemanta tetezamita tsy miandany sy TSY MISY MPANONGAM-PANAJAKANA araky ny ACCORD DE COTONOU satria lalàna  manankery ato anatin’ny kontinanta AFrikana io ka tokony ampiharina.

Nasehon’izy ireo mazava koa fa tsy tokony hanao fanelanelanana mitongilana ny Masoivoho Afrika atsimo amin’ny fanaraha-maso fa tokony hipetraka tsara amin’ny andraikitra napetraka aminy. Tsy tokony hanome vahana an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany  izy amin’izao famahana olana izao.

Hafatra nataon’izy ireo ho an'ny Masoivoho Afrika atsimo :
 "AOKA MBA HENOINA   SY VALIANA AMIN'IZAY NY FEOM-BAHOAKA  SY NY HETAHETAM-PITAKIANA  KA TANTERAHO  SY HAJAO NY  VOASORATRA AO ANATIN’NY TONDROZOTRA ARY AVERENO  ETO AN-TANINDRAZANA AMIN’ IZAY NY FILOHA VOAFIDIM-BAHOAKA  MARC RAVALOMANANA  FA MILA AZY IZAHAY VAHOAKA. IZY IHANY NO MAMINAY KA VALIO NY ANTSON’NY  MALAGASY RY TROIKA SY SADC ARY AZA MIVILAVILAN-KEVITRA IANAO ATOA AMBASADAORO KA HANAO FITSARANA MIANGATRA NA MITANILA ».



2 commentaires:

  1. ny tokony atao dia na isika milaza mbola vonona ny anaja ny soniantsika teo amban'ny tondrozotra ka manameloka andrajoelina mamadika ny fanantanterahana azy satria tsy manaja ny consensualité.amizay ampiarina aminy ny sazy voatondron'ny tondrozotra.Terena, eny terena ny SADC anomeha fotoana voafetra ny filohan'ny tetezamita anitsy ny fahadisoany rah tsy izany tsy mandray anjara isika satria tsy azo antoka ny sadec.
    Na isika mangataka mihitsy ny sadec anazava tsara ny heviny, hoe mbola panonganapanjakana ve i Rajoelina raha tsy mbola mihatra ny tondrozotra sa tsia? aoka isika tsy anaiky arirariran' ireo CI izay heverintsika hoe any tokana tokony amaha ny olana nefa efa misy fanampahankevitra havolenta tapaka any amindry zareo ka tsy azony ekena ny fametrahana paikady mety mitarika any amin'ny famerenana ny filoha ravalomanana eo amin'ny toerany talohan'ny martsa 2009.

    RépondreSupprimer
  2. mba ataovy ny organisation rehf hanao hetsika @ manaraka fa toa vitsy olona kely
    na ny ambassady ary ve handray feptra satria olona vitsy no mitaky ny hiverenan'i DADA

    MIRARY SOA

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".