lundi 14 novembre 2011

Dikan-tenin'ny Fanambarana nataon'ny GTT INTERNATIONAL GENEVE tamin'ny 11/11/2011

FANAMBARANA
Mangataka ny fialan'Atoa M Rakotoarivelo ny GTT INTERNATIONAL GENEVE

Izahay GTT INTERNATIONAL GENEVE, izay miara miasa amin'ny movansy  Ravalomanana dia manao izao fanambarana izao. 
Noho ny toe-java misy ankehitriny ary amin'ny maha fikambanana mahaleo tena anay hatramin'izay ka mandrak'androany dia am-pahalalahana no anaovanay izao fanambarana izao :
Mandalo fotoan-tsarotra ary indrindra kion-dalana mahery vaika no lalovan-tsika. Ny Tondrozotra nosoniavina dia voahitsaka ny ampitso ihany,ka misakana ny vaha-olana maharitra.

Tamin'ny valan-dresaka izay nataon'ny Filoha Ravalomanana tamin'ny 4 novambra dia tsy mankasitraka ny fanendrena an' Atoa Beriziky izay tsy mifanaraka amin'ny volavola tao amin'ny Tondrozotra izy. Ary nambarany tamin' izany ny fisintahany amin'ny fifampiraharahana ary tsy handefa olona ao anatin'ny governemanta-Berizikyny movansy .
Ampahatsiaviny anefa fa tsy teny nierana no niarahan'Atoa Rakotoarivelo izay mpitarika ny movansy  amin'ny movansy Zafy hanolotra kandida ao amin'ny governemanta-Beriziky.

Izahay dia mitsipaka tanteraka io finiavana politika izay mandemy ny movansy Ravalomanana io, indrindra fa ny Filohany.
Efa nisy koa ireo toromarika avy amin'ny Filoha izay tsy narahiny teo aloha. Ohatra: fony izy niaraka tamin''i Rakoto Andrianirina, Ravatomanga, RAkotoarison tamin'ny fanaovan-tsonia ny Tondrozotra-Simao teny Ivato.

Tsy mankasitraka io fiarahana io izahay satria vao maika handetika lalina ny Firenena izany.
Aminay dia tsy firaharahiana, sy famadihana ny tolom-bahoaka izay efa ao anatin'ny aizina noho ny hetraketraky ny FAT nandritran'ny telo taona, ary koa fanakanana ny fiverenan'ny ara-dalana sy ny fodian'ny Filoha voafidim-bahoaka Ravalomanana. 

Izao fomba fanao ara-politika izao dia tsy mamaha olana satria fanarahana tsy fidiny ny etsy andaniny, izay mifanohitra amin'ny tanjona ho tratrarina.
Noho izany dia mangataka ny Filoha RAVALOMANANA izahay mba handray fepetra mazava momban'Atoa Rakotoarivelo. 
Miandry izany koa ny vahoaka tan-dalàna.

Ny fihetsika tia tena toy izao dia tsy mifandraika amin'ny tolom-bahoaka izay miady amin'ireo mpanongam-panjakana ary mitaky ny fiverenan'ny Filoha Ravalomanana.
Manao antso avo amin'ireo mpikambana rehetra ao anatin'ny movansy izahay mba hitsipaka marindrano io fomba an-kolaka io izay entina hankatoavana ny fitondran'ny mpanongam-panjakana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. 

Miantso ny vahoaka tsy ankanavaka izahay hiatrika an'izao kion-dalana politika izao :
  • ho mailo hatrany, ary tsy hitsahatra eo amin'ny fanehoana ny tarigetra izay napetraka.
  • Fanohizana hatrany ny ady @ mpanogam-panjakana sy ny forongony.
  • Fasahiana sy fiahiana eo anatrehan'ireo olona sasany izay tsy mahalala afa tsy ny tenany.
  • Fitokisana ny Filoha RAVALOMANANA izay  tsiahivina fa mbola Filohan' ny ankolafy Ravalomanana.

GTT INTERNATIONAL GENEVE
15, rue des Savoises
Genève - SUISSE

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".