jeudi 8 décembre 2011

07/12/2011 : Hetsika sy Antso nataon’ny V O T teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mai


Nitohy hatrany ny hetsika nataon'ny VOT izay  fanairana voalohany hanentanana ny vahoaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka indrindra fa ny eto ANTANANARIVO . Betsaka ireo Tracts naely sy Afisy napetraka eran'ny  tananan'Antananarivo sy ny manodidina nampiseho fa tena hetsi-bahoaka mihitsy hamakina ny 13 Mai ity hetsika ity fa tsy hetsiky ny mpanao politika akory. Izany no natao dia ny mba ialàna amin'ny fanararaotana ataon'ireto farany mpitady seza na ny atao hoe "mpijapy lamasinina". 
Nasehoan'izy ireo tamin'izany koa fa leon'ny toetra mamoehatra sy ny fitondrana tsy ara-dalàna ary ny jadona mpanimba Firenena ny vahoaka ka tsy hanaiky intsony ny fitohizan'ny fitondran'ny mpanongam-panjakana. 
Noho izany dia mitohy ny Tolona ataon'ny vahoaka hoy izy ireo ary tsy hijanona intsony io amin'ny 13 Mai io na dia eo aza ny fampihorohorona ataon'ny miaramila sy zandary ary polisy (jereo ny sary). Tsy hampihemotra azy ireo izany. 

Koa izao no ANTSO nataon'izy ireo: 

MANAINGA SY MIANTSO NY VAHOAKA MBA HO TONGA MARO. HIFANOHANA ISIKA HANDRESENA NY JADONA SY NY FAMPIHOROHORONA. TSY MIJANONA NY TOLONA EO AMIN'NY 13 MAI RAHA TSY TANTERAKA SY TRATRA NY TANJONA DIA NY FANDRODANANA NY F A T SY IREO MPIRAY TSIKOMBA AMINY, MPITADY SEZA SY MPAMITAKA NY VAHOAKA. AOKA IZAY. 
13 MAI IHANY, 13 MAI HATRANY!!!



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".