mercredi 22 février 2012

ANTSO HO AN'NY TIA TANINDRAZANA REHETRA


ANTSO HO AN'NY TIA TANINDRAZANA REHETRAflyergtt
SABOTSY 25 FEBROARY - 2 ora- 6 ora
4 rue de l'Isly - 75009 PARIS Métro Saint-Lazare
Gtt-IDF; GTT International ; Collectif GTT
Mailaka : gttidf.2012@gmail.com




Latsaka ankaterena ny Tanindrazana. Telo taona izao no ao anatin’ny kizo ny vahoaka Malagasy. Na tsy niato ary ny fitadiavam-baha-olana avy amin’ny sehatra iraisam-pierenena na avy amin’ny mpanao pôlitika Malagasy ihany koa, dia tsy mbola misy ankehitriny fanantenana fa hisy fivoahana amin’izao krizy mampijaly vahoaka izao. Mikatso tanteraka ny fampiharana ny vahaolana ary manao izay tiany ireo mpanongam-panjakàna izay mibahana ny fitondràna ankehitriny. Efa indroa izao ny filoha Marc Ravalomanana no nanana fikasàna hody an-Tanindrazana ary indroa izy no voasakana. Miandry ny fahatongavany anefa ny ankamaroan’ny Malagasy ary tsy hisy filaminana indray I Madagasikara raha tsy miverina ao an-Tanindrazana ny filoha izay nofidiany.
Tsy afaka hitazam-potsiny izany raha toa Malagasy mandala fahafahana sy fandrosoana. Manana andrakitra amin’izany isika Malagasy rehetra isam-batan’olona. Manana adidy isika eo anatrehan’ireo mpiray Tanindrazana, izay miandrandra ihany koa izay hetsika avy aty amintsika aty ivelany.Koa noho izany dia andao isika hifandray tànana ary ary hanapaka izay anjara-biriky izay mbola tokony ho entintsika eo anoloan’izany. Azo lazaina fa alohalika ny ranom-bary, ka tokony hijery ny ho avin’ny firenentsika isika.
Tsy tolona fialàna nenina  no atao fa ady ho fanavotam-pirenena. Mijoroa ary andao hiaraka!Koa miantso ny Malagasy rehetra  tia-Tanindrazana sy mitaky ny fiverenan’ny ara-dalàna ny  GTT IDF, GTT Interantional, Collectif GTT hanomana hetsika iarahan’ny Malagasy aty dilambato manao ny :
SABOTSY 25 FEBROARY2 ora- 6 ora4, rue de l’Isly – 75009 PARISM° St Lazare
Mailaka gttidf.2012@gmail.com
TONGAVA MARO
flyerP

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".