mercredi 16 mai 2012

FANAMBARAN'NY GTT INTERNATIONAL - GENEVE.


PARIS 16 MAI 2012.

Izahay GTT INTERNATIONAL GENEVE dia manao izao fanambarana manaraka izao :

Mikatso tanteraka ny fahitanay ny fizotran’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Mivoana tanteraka amin’ny tanjona napetraka (famerenana ny ara-dalàna) ny Tolona. Tsy nitondra tombotsoa ho an'ny fampandrosoana ny tolona sy ny famerenana ny ara-dalàna ary ny fampodiana ny Filoha RAVALOMANANA ny fiaraha-mitantana nofinidin'ny mpitarika ny ankolafy.

Ny filohan’ny Tetezamita dia efa nilaza fa “tafatsangana daholo ny Andrim-panjakana dimy (Filoha, PM, CT, CST ary ny CENIT) ary mizotra tsara ny fananatontosana ny Tondrozotra. Ka noho izany , hoy izy, dia mahazo miroso amin’ny Fifidianana amin’izay ny Firenena”. Indrindra efa vita ara-dalàna koa ny fananganana ny lalàna momba ny famotsoran-keloka (Loi d’Amnistie). Ary nanaiky izany rehetra izany ny Ankolafy Ravalomanana.

- Aiza izao ny fanatontosana ireo andininy (articles) izay nahatonga ny Ankolafy Ravalomanana nanao sonia, izany hoe: famoahana ny gadra politika, ny fisokafan’ny haino aman-jery ary indrindra ny fodian’ny Filoha Ravalomanana (andininy faha 20)?

- Nilaza mazava ny tokony hialàna tsy misy hatak’andro ao amin’ny rafitra ny Filoha tamin’ny 30 Avril. Kanefa fiantonana (suspension) no navalin’ireo izany.

- Ao koa ny Hetsika izay nahatonga ny fahatezeran’ireo mpitolona rehetra (12 Mai sy 13 Mai). Ny tompon’andraikitra amin’ny tsy fahombiazan’ny Tolona dia ny fidiran’ny Ankolafy Ravalomanana tao anaty Rafitra, ary indrindra nanaiky sy niray asa  tamin’ireo mpanonga-mpanjakana.Taiza ny mpitarika tamin’ireo hetsi-bahoaka ireo ?

Very fanahy mbola velona ny vahoaka manoloana izany ka nirenireny tsy nisy mpitarika toy ny kamboty. Tezitra sy mahatsiaro voafitaka izy ireo. Ao ny teny etsy sy eroa milaza hoe : Mpitari-tolona mpamadika, voavidy, sns...”.

Fotoanan’ny tsotsoro-mamba isarahana izao.

Noho ireo antony voalaza dia:
  • tsy hitanay izay ilàna ny fihaonana amin’Atoa Mamy Rakotoarivelo raha toa ka hiziriziry amin’ny heviny izy ireo,
  • mangataka an'Atoa Mamy Rakotoarivelo sy ireo rehetra niara dia taminy niditra io Rafitra tetezamita sandoka io hiala ny Ankolafy RAVALOMANANA ary tsy hitondra intsony ny anaran’ny Filoha. Tsy misy manakana azy ireo sy izay miray hevitra sy tanjona aminy hamorona ankolafy hafa. Mazava kokoa ny raharaha amin’izay ary tsy ho voafitaka sy voambaka intsony ny vahoaka tena mitolona ho an’ny Filoha,
  • tsy misalasala izahay milaza fa mpiray tsikombakomba amin’ny mpanongam-panjakana ireo mpitarika ny ankolafy ankehitriny.



GTT INTERNATIONAL – Collectif de la Diaspora
15, rue des Savoises
Genève – SUISSE
collectifgtt@gmail.com





Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".