vendredi 6 juillet 2012

FANAMBARAN'NY GTT INTERNATIONAL-GENEVE


Malagasy Mandresy, Madagasikara Afaka
Peuple Malagasy Gagnant. Madagasikara Libre
Winner Malagasy People. Free Madagasikara


FANAMBARANA




Ny GTT Iraisam-pirenena Genève (GTT International – Genève), izay manana ny foibeny ao Genève (Suisse), dia manao izao fanambarana izao mikasika ny hetsika famoriana ny Tanora mpitolona ao Antsirabe na any an-toeran-kafa.

Ampahibemaso no anambarany fa tsy ny GTT Iraisam-pirenena Genève mihitsy no niantso na mikarakara io fihaonana io. Tsy manana mpikambana ao Antsirabe na nandefa solon-tena any an-toerana ny Fikambanana.

Noho izany dia tsy misy idiran'ny Fikambanana GTT Iraisam-pirenena Genève io hetsika io ary tsy misy tokony afaka mitondra sy manararaotra ny anaran'ny Fikambanana ho amin'izany. Ny ankoatr'izay dia fisandohana sy famitahana ny tena mpitolona ho an'ny famerenana ny ara-dalàna sy ny fiverenan'ny Filoha RAVALOMANANA ary ny famoahana ny gadra politika, izay tsiahivina etoana fa hatry ny ela no efa tanjon'ny GTT Iraisam-pirenena Genève ary mbola arahany sy hitolomany hatramin'izao.

Ity fanambarana ity dia tsy mitsipaka velively izay hetsika manaraka sy manaja ireo tanjona voalaza eo ambony ireo.



Genève, 6 jolay 2012






GTT INTERNATIONAL - GENEVE - Collectif des Patriotes Malagasy
15, rue des Savoises
1205 GENEVE - SUISSE




Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".