mardi 30 avril 2013

Fanambaran'ny GTT INTERNATIONAL-GENEVE


Malagasy Mandresy, Madagasikara Afaka
Peuple Malagasy Gagnant. Madagasikara Libre
Winner Malagasy People. Free Madagasikara


FANAMBARANA





Ny GTT Iraisampirenena - Genève (GTT International – Genève), izay manana ny foibeny ao Genève (Suisse), dia manao izao fanambarana izao entina hamaliana ireo fanontaniana maro napetraka taminay.

Tsy manana antoko politika any Madagasikara ny fikambananay. Ny GTT Iraisampirenena – Genève dia manohana hatrany ny asa rehetra atao hanavotam-pirenena na any ivelany na any an-toerana.

Mazava sy mahitsy ny tanjon’ny GTT Iraisampirenena - Genève, izay himasoany sy hitolomany hatramin’izao, dia ny fiverenana amin’ny ara-dalàna, ny fitakiana fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra, ny fiverenan'ny Filoha RAVALOMANANA ary ny famoahana ireo gadra politika.

Amafisinay koa fa manohana tsy am-pisalasalana ny filatsahan-dRtoa Lalao Ravalomanana hitondra an’i Madagasikara ny GTT Iraisampirenena – Genève.

Farany dia tianay ny mampahatsiahy fa maro ny vondrona mitondra ny anarana GTT (Gasy Tia Tanindrazana) ary fikambanana samy mahaleo tena sy manana ny tanjony


Genève, 29 aprily 2013





GTT INTERNATIONAL – GENEVE
Collectif des Patriotes Malagasy



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".