samedi 15 juin 2013

FFKM - Fihaonana an-tampony : Tsy maintsy eo Ravalomanana

Fampihaonana ireo Filoha efatra nifandimby

Tsy manaiky ny filoham-piangonana fa tsy maintsy eo Ravalomanana

Amin’ny 9 jolay ho avy izao no mety hotanterahina eto an-drenivohitra ny fihaonan’ny Filoham-pirenena 04. Tsikaritra ho mankany amin’ny fampihaonana ny Filoham-pirenena 4 hatrany ny famahana ny krizy. Hatramin’ny omaly dia mbola tsy nisy aloha ny daty ôfisialy hanatanterahana io fihaonana io. Nandrenesam-baovao fa saika notanterahina tamin’ny alatsinainy lasa teo izy io, saingy nilaza ho tsy afaka indray ny iray tamin’izy ireo hany ka tsy tanteraka. Taorian’izay dia nahazoam-baovao fa tsy maintsy niala teto Madagasikara, noho ny adidy aman’andraikiny ny Filoham-piangonana roa. Ny daty vaovao mbola tsy ôfisialy re omaly dia amin’ny 9 jolay indray vao mety ho tanteraka ny fihaonana, ary eto an-drenivohitra fa tsy any Nosy Be, araka ny feo mandeha, no hotanterahina izany. Teo anelanelan’izay dia nandeha ny adihevitra fa tsy hampodiana ny Filoha teo aloha, noho izany, hotanterahina amin’ny alalan’ny “video conference” ny fifampidinihana. 
    Nitsipaka ny Filoham-piangonana!
Voalaza fa nitsipaka marindrano izany ny Filoham-piangonana. Antony, rehefa hihavana, hoy izy ireo, dia tokony hifanatrika. Midika izany fa amin’ny fotoana hanatanterahana ny fampihaonana ny Filoham-pirenena 04 dia tsy maintsy miverina an-tanindrazana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Na dia heverina fa mbola ho sarotra aza ny hahanteraka izany dia tsikaritra ho mizotra mankany amin’ny fanatanterahana ny fehin-kevitra tapaka, niaraka tamin’ny FFKM, teny amin’ny CCI Ivato ny famahana krizy. Ny dikany, tsipatsipaky ny miala aina avokoa ny fanapahan-kevitra tsy mifanaraka amin’ny lalàna mbola raisin’ny mpitondra ankehitriny. Ny fanontaniana mipetraka fotsiny dia hoe mbola hiandry firy andro sa firy volana indray ny vahoaka efa difotry ny fahasahiranana, na ara-batana na ara-tsaina, vokatry ny fahantrana sy ny fitaintainana isaky ny mifoha maraina?
V.R.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".