mardi 3 septembre 2013

Valin-tenin’ny GTT INTERNATIONAL-GENEVE ho an’Atoa Mamy Rakotoarivelo: “Tsy ny GTT International-Genève akory no atao fanalàna vonkona”

Malagasy Mandresy, Madagasikara Afaka
Peuple Malagasy Gagnant. Madagasikara Libre

Winner Malagasy People. Free Madagasikara


Valin-tenin’ny GTT INTERNATIONAL-GENEVE ho an’Atoa Mamy Rakotoarivelo.
“Tsy ny GTT International-Genève akory no atao fanalàna vonkona”


Araky ny valan-dresaka nataonao izay nivoaka tao amin’i RFI, ny 3 septambra 2013 (http://www.rfi.fr/afrique/20130903-madagascar-mouvance-ravalomanana-proie-dissensions-internes) dia tianay no manao izao fanamarihana manaraka izao:

  • Nolazainao fa “mpanakorontana” ny GTT International-Genève. Fanehoan-kevitra no nataonay ary amin’ny maha olom-pirenena anay, izay mikatsaka lalandava ny ivoahan’ny Firenena amin’ny krizy lavareny ankehitriny, dia adidinay no nanao ary mbola hanao izany, indrindra raha hita sy tsapa fa tsy mety ny fitondrana ny Tolona. Voaporofo izany ankehitriny amin’ny tsy fahatokisan’ny mpitolona maro an’isa anareo intsony. Voaporofo koa amin’ny nanerena ny Malagasy hiditra amin’ny fifidianana tsy misy an-dRtoa Lalao RAVALOMANANA.
Koa, tsy azonay ekena velively ny filazanao satria fanapenam-bava izany ary mifanohitra tokoa amin’ny fototra ijoroan’ny Fikambananay. Tsy ianao mihitsy Atoa Rakotoarivelo, na dia Filohan’ny ankolafy aza, no afaka hanery anay amin’izay tokony ataonay. Rehefa diso tetika ianareo mpitondra ao amin’ny ankolafy ka tsy nahatontosa ny andraikitra nankinina taminareo , dia tsy tokony hiampanga ny hafa ka ny GTT International-Genève no atao fanalàna vonkona.

  • Nambaranao koa fa “mpanao herisetra amin’ny mpanao politika Malagasy ny GTT International”. Mahitsy ny teninay. Ady am-pilaminana no nataon’ny GTT International-Genève hatrizay fa tsy mbola nisy herisetra tamin’ireo hetsika maro nandraisanay anjara. Mahafantatra tsara izany atao hoe “lalàna” izany ny mpikambana ary miady ny hanjakan’izany any an-Tanindrazana, ka tsy izahay indray akory no hanao izay handikàna izany. Koa lainga tsy misy henatra sy fiampangana tsy mari-pototra tsotr’izao no ataonao entina hanasoketana sy handotoana ny Fikambanana amin’ny asa fanavotam-pirenena ataony satria manelingelina ny GTT International-Genève.

Mbola tsindrinay ihany fa tsy nahatontosa ny asa nankinina taminy ny mpitarika ny ankolafy ka takianay ny fialàn’izy ireo. Tsy ekena intsony ny fiaraha-miasa amin’ny mpanongana ka takianay koa ny fialàna ao amin’io rafitra tetezamitan’ny mpanongana io.
Tianay ny mampahatsiahy anao Atoa Mamy Rakotoarivelo fa fikambanana mahaleo tena, manana ny fomba fijeriny sy ny fanehoan-keviny malalaka ny GTT International-Genève, ary tsy mitsahatra ny manara maso sy hamoaka hatrany ny heviny tsy am-pisalasalana eo anoloan'ny raharam-pirenena, raha ilaina izany.
Ny hahasoa ny Tanindrazana no imasoanay hatrany

Genève, 3 septambra 2013


GTT INTERNATIONAL – GENEVE
Collectif de la Diaspora
15, rue des Savoises
Genève – Suisse




Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".