samedi 1 mars 2014

Atoa Jean-Michel RASOLONJATOVO, mpahay lalàna: Vahinin'ny "Invité du Zoma" - TV Plus (VO)

28/02/2013: Nivahiny tao amin’ny fandaharana "Invité du Zoma" n’ny TV Plus AtoaJean-Michel RASOLONJATOVO, mpahay sy mpampianatra lalàna, mpitsara ao amin’ny fitsarana momban’ny fitantanambolam-pirenena (Cour des Comptes), diplaomaty taloha. Niompana tamin’ny olana misy eto amin’ny Firenena indrindra momba ny fanendrena Praiministra ny dinika nifanaovan’izy sy Rtoa Onitiana Réaly. Nasongadiny tamin’izany fa mazava tsara ny voalaza ao amin’ny lalàm-panorenana (and. 54) ka tsy ilàna "interprétation" intsony: antoko na vondrona politika no tokony manolotra olona fa tsy fivondronan’olona toy ny MAPAR na PMP akory. Nomeny ny sahaza azy tsara koa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) noho ny tsy fanarahany lalàna. Mety hoy izy ny fanafoanana io andrim-panjakana io satria anisan’ny fototry ny olana tokoa izy io hatramin’izay. Nomarihany ihany koa ny tsy maha mety ny lalàm-panorenena manankery amin’izao noho izy manome fahefana feno tsy refesi-mandidy ny Filoham-pirenena toy ny misy any amin’ireo firenena ianjadian’i Fransafrika. Farany dia nandroso hevitra ihany koa an’Atoa Rajaonarimampianina izy mba ivoahana amin’izany, dia nyfanafoanana io Antenimieram-pirenena io.
Deraina manokana ny fahasahiany milaza ny tena zava-misy sy ny marina, ary tsy momba na iza na iza fa ny lalàna sy ny fahamarinana ihany no zava-dehibe.


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".