Tonga ny fotoana hiarovana ny Taranaka
Fanampiana
ara-bola avy any ivelany: Tsy azo ekena ho trosa hianjady amintsika sy ny
taranaka !
Efa 2 volana mahery izao no vita ny fifidianana izay tsy nifaneken'ny rehetra noho ny sandoka sy tery vay manta natao
tamintsika. Kanefa iaraha-mahita fa tsy miroso any amin’ny làlana tokony izorany ny Firenena. Mbola krizy politika
hatrany no mitohy raha jerena ny zava-mitranga tato ho ato. Efa nampoizina mihitsy
izao fizotran-javatra izao noho ny famolavolana fifidianana
kitoatoa ho an’ny Malagasy izay notohanan'ny ny Fianakaviambe Iraisampirenena[1].
Hita soritra fa sarotra sy tsy mazava ny fampiharana ny Lalam-panorenena, izay tsy nifanekena fa notefen'ny FAT irery tamin’ny 2010, ary hita fa mikatso sahady ny
fanendrena Praiminisitra, izay asa voalohany tokony tontosain' Atoa
Rajaonarimampianina. Ny vokany dia mitohy ny governemanta
tetezamita tarihin’Atoa Beriziky satria nisafidy ny haka
fotoana maharitra Atoa Rajaonarimampianina.
Nisy ihany ny
fanendrena natao teo anivon’ny andrim-panjakana sasany kanefa toa tapi-maso
fandrebirebena sy fampatoriana ny
Malagasy fotsiny izany. Manjaka hatrany ny kitranoantrano. Ireo mpitondra
sasany vao notendrena dia mpiara-nandray anjara mivantana na ankolaka
tamin’ny fanonganam-panjakana avokoa. Anisan'izany:
·
Atoa Jean-Eric Rakotoarisoa,
mpahay lalàna sady mpanentana mivantana ao amin’ny SEFAFI (Sehatra Fanaraha-mason’ny
Fiainam-pirenena). Ny fanendrena azy ao amin’ny HCC dia nolavin'ny vondron'ny mpitsara. Ary Voalaza ombieny ihany koa fa anisan’ny mpiray tsikombakomba tamin’ny
mpanongam-panjakana tamin’ny 2009 io SEFAFI io[2].
- Atoa James Andrianalisoa,
mpanolotsaina manokan’Atoa Rajaonarimampianina, izay marihana fa mbola filohan’ny
filan-kevim-pitondran’I Air Madagascar (Président du Conseil
d’Administration). Raha todihana ny lasan’Atoa Andrianalisoa talohan’izao
fanendrena azy ho tale jeneralin’I ACM izao, dia tokony handalo
fitsarana izy[3].
- Atoa Ny Hasina
Andriamanjato, izay voatendry ho PDS Antananarivo. Anisan’ireo nandray
anjara tamin’ny famonoan’olona tamin’ny 26 janoary sy 07 febroary 2009 ny
tenany [4]
Raha bangoina dia resaka fanodinana sy fandrebirebena saim-bahoaka
no ataon’ireo eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana, mba ialany amin’ny fanatanterahana
ireo asa tokony atao rehetra ampiverina ny fitoniana ary voalaza ao amin’ny tondrozotra, indrindra ireto
manaraka ireto:
- Tsy mbola tafaverina ao
an-Tanindrazana hatramin’izao ireo sesi-tany noho ny antony ara-politika,
anisan’izany ny Filoha Ravalomanana. Vao mainka aza miantsy ady Atoa
Randrianasolo (Mpitsara ambony – Procureur général) izay nanambara fa “hosamborina Atoa Ravalomanana raha
vao miverina an-Tanindrazana”. Mifanipaka tanteraka amin’ny fitoniana
dradrain’Atoa Rajaonarimampianina ombieny ombieny izany!
- Ireo gadra politika dia
mbola any amponja,
- Tsy mbola misy mivoha
ireo haino aman-jery nakaton’ny fitondrana Rajoelina,
- Tsy misy fanehoan-kevitra
malalaka, ny fampahalalam-baovao dia voageja[5].
Vao mainka aza nanamafy ny Filankevitry ny Ministra (27/02/2014) fa ho
enjehina izay mpanao gazety sahy mitsikera,[6]
- Mitohy hatrany ireo
halatra sy fanodinkodinana ary fandrobana ny harem-pirenena. Vao tsy ela,
dia nisy sambo tanzaniana nahatratrarana andramena an-taoniny maro tany
amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy[7].
Nanjavona ihany koa ny vola mitentina 230 miliara Ariary[8]
izay an’ny Banky Foibe, kanefa dia tsy narahana famotorana akory.
Torak’izany koa, ny vola 100 miliara Ariary lanin’Atoa Rajaonarimampianina
tamin’ny fampielezan-kevitra dia
tsy nisy fanadihadiana,
- Manjaka ny tsy
fandriampahalemana, ary mihazo ny any ambanivohitra izany ankehitriny ka
mahatonga ny tantsaha mihitsy hangataka fahazoan-dàlana hitam-basy
hiarovany ny tenany[9].
- Mbola ireo mpanongam-panjakana
daholo ihany no eo amin’ny fitondrana, ary vao mainka aza nahazo hery ry zareo satria “voadio”
ny heloka bevava nataony sady azony ihany koa ny fankatoavan’ireo
Fianakaviambe Iraisam-pirenena taorian’ny fifidianana sandoka sy feno
hala-bato. Fantatra ihany koa fa mbola “masi-mandidy” foana Atoa
Ratsirahonana satria lasa mpanolo-tsainan’Atoa Rajaonarimampianina indray
izy amin’izao fotoana.
Manoloana ireo zava-misy ireo, dia ny Fianakaviambe
Iraisampirenena, izay nanery ny Malagasy hanao fifidiana sandoka, feno halatra
sy hosoka, no tsy manao ny asany. Ho gaga ve isika raha tsy misy ny fiovàna?
Mandalo fotoan-tsarotra
hatrany ny Firenena,kanefa tsy afaka ny ho kivy isika vahoaka Malagasy fa zo sy adidy hoan'ny taranaka fara-mandimby ny
fiarovana ny harem-pirenena.
Koa, manainga
antsika vahoaka Malagasy hijoro ka tsy hanaiky mora foana ny fandrobàna sy ny
varo-boba atao amin’ny Tanindrazantsika. Tokony ho saro-piaro ihany koa isika
amin’ny harem-pirenentsika sy izay hiafaran’ny Taranaka.
Tsy azo
ekena ny famatsiam-bola avy any ivelany raha tsy misy fanaraha-maso mazava sy
hentitra mba handeha any amin’ny tokony alehany ny vola. Tsy ny vahoaka
Malagasy izay efa ao anatin’ny fahantrana lalina indray no voatery mbola
hamerina ny vola tsy nampiasainy.
Tsy tokony hanaiky ho tompon’antoka
velively amin’ny famerenana ny trosa tsy nampiasaina ny Firenena Malagasy sy ny
taranaka faramandimby. Andraikitr’ireo mpitondra manodikodim-bola
sy ny mpamatsy vola azy izany.
Aoka isika tsy hanaiky lembenana ary
hijoro ho tena olom-pirenena !
Genève, 15 marsa 2014
GTT INTERNATIONAL GENEVE - Collectif
des Patriotes Malagasy
15, rue des Savoises
1205 GENEVE - SUISSE
[1] Raha ny
marina dia 25% des Malagasy no nifidy an’Atoa Hery Rajaonarimampianina (2
tapitrisa amin’ny 8 tapitrisa mpifidy).
[3] Ny Tale
jeneraly vaovaon’ny ACM (Tale jeneralin’i Air Mad taloha), naman’Atoa
Rajaonarimampianina (izay marihana fa Filohan’ny CA Air Mad), dia sesi-tany
tany Frantsa. Nahazo baikom-pisamborana na « mandat d’arrêt
international » tamin’izany fandosirany izany izy. Nokaramain’ny
fitondrana tetezamita vola tsy toko tsy forohina ny tenany tamin’ny 2012
hanarina ny Kaompaniam-pitanterana, kanefa tsy nisy vokany nivaingana akory.
[5] Madagasikara
dia faha-88 (amin’ny firenena miisa 179, aorian’i Niger sy Burkina Faso)
amin’ny filaharana eran-tany mombq ny
fahalalahana eo amin’ny sehatry ny fampahalalam-baovao (Filaharana nataon’ny
RSF)
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire