lundi 20 octobre 2014

Fanambaràna sy antso avo avy amin-dRamatoa Lalao Ravalomanana

LUNDI 20 OCTOBRE 2014

Fanambaràna sy antso avo avy amin-dRamatoa Lalao Ravalomanana



Araka ny tenin'ny soratra Masina manao hoe: "Miraisa saina ianareo rehetra, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena". 

Ankehitriny, fon-dReny no miteny: Amin'ny fo feno fahendrena sy fanetre-tena no hanaovako antso avo amin'ny Fitondram-panjakana, fiangonana, fikambanana isan-karazany, fianakaviam-be iraisam-pirenena, ary indrindra ny vahoaka Malagasy rehetra tsy misy ankanavaka.

Fotoana izao hirosoana amin'ny Fifanantonana, fifampiresahana, fifanajana amin'ny Malagasy samy Malagasy. Fotoana ihany koa, hirosoana amin'ny Fampihavanam-pirenena.

Isika Malagasy rehetra dia samy manaja ny soatoavina Malagasy, dia ny Fihavanana izany. Ary mametraka ny tombotsoam-pirenena mialohan'ny zava-drehetra.

Tokana ny fahavalon'ny Malagasy, dia ny fahantrana izany. Ka hifanome tanana isika, ka hiaraka tahaka ny mpirahalahy, na amin'iza na amin'iza, amin'izay rehetra mino ny Fihavanana Malagasy, ary hitondra fampandrosoana amin'ny tanintsika sy Firenentsika.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".