dimanche 28 décembre 2014

Hoy ny GTT Inter Ge: Ahiana ho fitaka ny famindran-toerana ny Filoha Ravalomanana (La Nation)

Ahiana ho fitaka be vava

Fitaka be vava ny famerenana an-dRavalomanana ho ao amin’ny trano fonenany eny Faravohitra, sy ny namoahana ny fonja ireo gadra politika, raha araka ny fahitan’ny Gtt. Tsy nisy, ary tsy azo ekena ny tsy fisian’ny famafana ny didim-pitsarana izay nanameloka azy ireo, hoy hatrany ny fanambaran’ity fikambanana ity. Nomarihany fa tsy hisy fampihavanam-pirenena raha toa ka mbola minia manaamafy ny fankatoavany ny fitsarana tsy ara-dalàna izany nitsara ireo gadra politika ireo sy ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery. Miantso nyfianankaviambe iraisam-pirenena tsy ho sodokan’izao fihetsiky ny mpitondra eto Madagasikara izao ny GTT


Naneho ny heviny manoloana ny fanampahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana taorian’ny fanatanterahana ny fampihavanana notarihan’ny FFKM ny fikambanan’ireo teratany Malagasy mivondrona ao amin’ny Gtt Iternational Génève. Nomarihan’ity fikambanana ity tamin’ny alalan’izany fanambarana izany fa fanampahan-kevitra tsotra ity noraisin’ny filoham-pirenena ity amin’ny maha filoham-panjakana ny tenany. Noho izany tsy mbola tsy azo antokoa hitondra ho amin’ny tena famahana tanteraka ny olana fototra misy eto amin’ny firenena izany. “Famindram-po azon’ny filoham-pirenena atao amin’ireo gadra izay meloka teo anatrehan’ny fitsarana io fanampahan-kevitra vao noraisina io”, hoy hatrany ity fanambarana ity. Tsara anefa ny manamarika, hoy hatrany ny Gtt fa mbola misy gadra politika tsy latsaky ny 10, izay mbola any am-ponja mandrak’izao. Nomarihan’ity fikambanana ity ihany koa fa famindran-toerana ny fonja ihazonana azy fotsiny ihany no azon’ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Izany hoe mbola mifonja tsy ara-drariny hatrany ity filoha teo aloha ity na dia efa eny Faravohitra aza no misy azy. 

Paikady maloton’ny fanjakana 

Eo anatrehan’izany rehetra izany dia miantso ny rehetra ho mailo manoloana ity fihetsiky ny fitondrana sy ny filoham-pirenena ity ny Gtt. Ho azy ireo dia paik’ady maloto hamitahana ny fianankaviambe iraisam-pirenena sy ny vahoaka Malagasy izao fihetsika izao. Satria tsy nisy ny famafana ny sazy nomena ireo olona navoaka ireo. Sazy izay navoakan’ny fitsarana tsy ara-dàlana anefa izany, hoy hatrany ny fanamarihan’ity fikambanana ity. Ny fanampahan-kevitry ny filoham-pirenena anefa dia midika fa manaiky sy manamafy hatrany io fanampahan-kevitry ny fitsarana tsy ara-dalàna ion y tenany, rah any fanamarihana nataon’ity fikambanana ity hatrany. Tsara anefa ny manamarika fa ny tsy fankatoavana ny fitsarana tsy ara-dàlana no tokony ho teboka iaingana amin’ny fampihavanana eto amin’ny firenena. 
Manohy hatrany ny fitakiana ny hanafohanana tanteraka ireo didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana tsy ara-dàlana ka nanameloka ireo gadra politika, arak’izany, ny Gtt. Mitaky ny fanafahana tanteraka ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ihany koa izy ireo, mba ahafahan’ity farany miaina an-kalalahana sy hiasa ho an’ny tanindrazana. Farany dia mbola mitaky ny fampiharana antsakany sy andavany ny tondrozotra ihany koa ny fikambanana Gtt araka ny fanambarana navoakany ny 26 desambra lasa teo. 
Tsar any manamarika fa tsy nanadino ny nidera ny ezaka nataon’ny FFKM amin’ny fampihaonana ireo filoha teo aloha sy ny filoha am-perinasa ny Gtt. 

http://www.lanation.mg/article.php?id=16152


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".