dimanche 7 décembre 2014

Valan-dresaky ny Pr R. Ranjeva - Paris, 07/12/2014 : Fanontaniana sy soso-kevitra avy amin’ny GTT International-Genève



Valan-dresaka Pr Raymond Ranjeva - Paris, 07/12/2014

“Làlana fanasitranana ny Firenena”


Fanontaniana sy soso-kevitra avy amin’ny GTT International-Genève


Anisan’ny olana voalohany eo amin’ny firenena ny fitsarana sy ny fitsaboana mitanila, baikon’ny fitondrana. Tsy mahavita misahana sy miahy ny fahasalaman’ny vahoaka malagasy ny fitondrana, tsy manana fitokisana mihitsy amin’ny fitsarana izy ireo. Ireo lafiny roa ireo no aretim-be mahazo ny firenena ka mila fanasitranana. Maro ireo fikambanan’ny Mpitsara kanefa tsy misy heno mihetsika.

Tsiahivina fa:

  1. Ny HCC no nanome alalana ny mpanongam-panjakana handray fahefana
  2. Manjaka ny “impunité”:
    1. Aman-jatony ny maty noho ny fanonganam-panjakana,
    2. Aman’arivony no matin’ny miaramila nirahin’ny mpanongana “hampandry tany” tany atsimo,
    3. Betsaka ireo fantatra fa mpangalatra ny harem-pirenena no miriaria sy miaina an-kahalalahana, tsy matahotra izay fitsarana,
    4. Tsy mivoaka ny gadra,
  3. Maro ireo gadra politika no mbola tazonina any am-ponja na efa natao aza ny famotsoran-keloka. 
Araka ireo voalaza eo ambony ireo:
  1. Mila zavatra mivaingana azo tsapain-tanana ny fanasitranana ny firenena. Manana andraikitra “société civile” ny fikambanan’ny mpitsara rehetra:
    1. Inona no manakana ny fiantsoana ny CPI ? Efa misy fitoriana napetraky ny GTT International-Genève tamin’ny 2011 (5kg). Moa ve afaka mijery ny momba io dossier io ianao ?
    2. Inona no ataonareo ho fanohanana ny FFKM amin’ny fitondrana ny fampihavanam-pirenena ?
  1. Taiza ianareo avara-pianarana sy mpahay lalàna hatramin’izay ka namela io fitondrana jiolahim-boto mpambotry firenena sy mpanosihosy ny zon’olombelona io hipetraka sy haka faka ?
  1. Iaraha-mahalala fa nogadraina an-keriny sy tsy ara-drariny ny filoha Ravalomanana sy ireo voahendrikendrika ho nanampy azy. Hatramin’izao dia tsy hita izay fiampangana marina azo hanamelohana an’Atoa Ravalomanana, satria ny lalàna manankery momba ny fifamoivoizana anabakabaka (Loi du 22/08/2012 du Code de l’Aviation Civile) dia tsy manameloka velively ny mpandeha raha misy fidirana fiaramanidina an-tsokosoko. Izao anefa dia mitady hanova io lalàna io ny fitondrana hanamelohana an’Atoa Ravalomanana. Inona no azon’ny mpahay lalàna hanoherana izany teti-dratsy izany ?
  1. Vonona ve ianareo hanampy ireo vahoaka mitaky honitra  noho ny fanararaotam-pahefana nataon’ireo miaramilan’ ny “opération Tandroka” sy “Coup d’arrêt” tany atsimo . Maro ny nilaza sy nampahafantatra izany taty aminay ary mila entina eo amin’ny fitsarana izany.

    Misaotra anao mialoha Atoa Profesora.


Genève, 06/12/2014



GTT International–Genève

Collectif des Patriotes Malagasy

15, rue des Savoises - 1205 Genève - CH

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".