mardi 17 mars 2015

Akon’ny Fampihavanam-pirenena - Réconciliation nationale: échos

Nandalo ny dingana fihaonana amin’ny vahoaka ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM. Nizotra tsara izany araky ny niseho tany amin'ny faritra Anosy (Fort Dauphin, Amboasary atsimo ary Betroka).
Amin'ny ankapobeny, dia afaka nandray anjara tsy nisy fanaovana an-kila-bao ny fikaonan-doha nandritra ny hateloana 5, 6, ary 7 martsa teo.Mpandray anjara miisa 186 no tonga ary tao avokoa ireo solontenan’ny Distrika telo.Antoko politika, fikambanana, sampandraharaham-panjakana olon-tsotra ary mpitandron'ny filaminana.Samy resy lahatra ireo mpivory fa ilaina ny fampiharana ny 4F raha tiana hisy marina ny fampihavanam-pirenena: Fiaiken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana, Fifakatiavana.Manaraka izany, dia ireo filoham-pirenena 5 no miaiky heloka voalohany.Toy izany koa ireo mpiara-dia amin'izy ireo any amin'ny faritra 22.Anisan’ny hevitra sy fangatahana nivoitra tamin’izany indrindra ireto manaraka ireto:
  • Avela malalak ampiasain'ny rehetra ny haino aman-jerim-panjakana, tsy misy avakavaka fa misy kosa ny arofanina hapetraka amin'izany.
  • Ny filoham-pirenena manao fahadisoana hitam-poko hitam-pirenena dia terena hametra-pialàna rehefa tsy mahatsapa-tena hiala, eny fa na tsy mbola nahavita ny mandate-ny aza.
  • Anaovana fanadihadiana ny zava-nisy nandritra ny hetsik'ireo mpitandron'ny filaminana taty atsimo. Anisan'izany ny operation “Tandroka” sy “Coup d 'arret”. Indrindra ny hetraketak'ireo malaso namono olona, ny zava-doza vitan'ireo mpitandron'ny filaminana sasany.
  • Takiana, ampiana ary omena onitra na tambiny ireo niharan-doza miisa 500 tao Anosy sy ireo 450 hafa tany Androy, Toy izany koa ho an’ireo tra-boina tratry ny kilema, fananana simba sy potika, fianakaviana maty tsy hita popoka,
  • Arahina maso akaiky ny asan'ireo mpitandron'ny filaminana sy ireo mpitsara,
  • Antoko politika telo ihany no tokony hisy: havia sy havanana ary afovoany,
  • Tsy ilaina ny mpanao politika mivadibadika palitao lava,
  • Ny harena avy amin’ny faritra iray dia izy aloha no tokony handray ny tombotsoa.
Nosafidianina ihany koa ireo solontena 35 hiatrika ny fikaonan-doham-pirenena amin'ity faran,ny volana marsa ity.15 avy amin'ireo solontena (5 Amboasary Atsimo, 5 Betroka ary 5 ihany koa Fort Dauphin), 10 avy amin'ny FFKM Anosy ary 10 avy amin’ny politika (Ratsiraka 2, Zafy 2, Ravalomanana 2, Rajoelina 2 Rajaonarimampianina 2). 

Marihina ihany koa fa afaka nandray anjara tamin'ny fametrahana fanontaniana amin'ny alalan'ny taratasy ireo tsy tafiditra ao anatin'ny lisitry ny mpivory.Tsy sahy nitsabaka ny mpitondra fanjakana fa ny ffkm sy ireo komity miaraka aminy no nisahana manontolo ny fampandehanana ny fikaonan-doha.
Hoentina eo amin'ny fikaonan-doham-pirenena ny hevitra tapaka ary tsy misy halatsaka mba hialàna amin'ny ahiahy tsy ihavanana.
Marihina fa tsy nandray anjara ny solontenan'i Filoha Zafy sy Rajoelina.


Avy amin'ny solontena faritra Atsimo

********************************

La réconciliation conduite par la FFKM, dans sa phase de consultation nationale, s'est bien déroulée globalement à l'instar de celle menée dans la région de l'Anosy (Fort Dauphin, Amboasary et Betroka).
En effet, les 186 représentants des 3 districts ont manifesté leur satisfaction à l'issue des 3 jours de débat et de réflexion (du 5 au 7 mars dernier). Notons que toutes les forces vives de la Nation étaient représentées : des politiques, des associations, des fonctionnaires, des forces de l’ordre et de simples citoyens.
Tous sont convaincus qu’il n’y aura de vraie réconciliation sans la mise en application des 4 éléments fondamentaux suivants à savoir : l’aveu, le pardon, la vérité, la fraternité (les 4F). Et ce, à commencer par les 5 chefs d’Etats suivis de leurs équipes respectives dans les 22 régions.
Parmi les propositions et attentes citoyennes exprimées lors de cette rencontre figurent notamment :
  • La libre utilisation des médias publiques et ce, dans un cadre réglementaire ou législatif bien précis (à définir),
  • La démission obligatoire du Chef d’Etat en cas de faute grave,
  • Dans le cadre des opérations « tandroka » et « coup d’arrêt » :
ü  L’ouverture d’une enquête indépendante concernant les exactions en tout genre commises par les forces de l’ordre,
ü  L’indemnisation des 500 victimes de la région Anosy ainsi que les 450 autres d’Androy,
ü  Le dédommagement par l’Etat des biens détruits, des personnes blessées et des familles disparues,
  • Le contrôle strict du fonctionnement des forces de l’ordre en général et de la justice,
  • La limitation des partis politiques au nombre de 3 (Gauche, Droite et Centre)
  • L’interdiction de naviguer d’un parti à l’autre au gré des évènements (retournement de vestes),
  • Les richesses d’une région devraient en priorité lui revenir,
Les représentants de la classe politique ne sont pas intervenus dans le pilotage de la rencontre, seule la FFKM, assistée par les membres de son comité s’en est intégralement occupée.
Toutes ces attentes feront l’objet d’une remontée au niveau national et la FFKM s’est engagée à respecter l’intégrité des propositions.
Par ailleurs, 35 représentants de la région ont été choisis pour assister à la rencontre nationale qui aura lieu fin mars (15 des 3 districts, 10 de FFKM Anosy et 10 des politiques – 2 par mouvance).
Remarquons enfin que les représentants de Zafy et de Rajoelina n’ont pas participé à la rencontre.


 De notre correspondant dans la région






Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".