samedi 1 août 2015

Lalao RAVALOMANANA no ben'ny tanànan'Antananarivo, fandresena raiketin'ny tantara.

 



Naneho ny heviny ny vahoaka ary mazava tsy azo lavina ny valim-pifidianana nivoaka fa nandresy ny lisitra tarihin-dRtoa Lalao Ravalomanana, ary ny tenany izany no ho ben'ny tanànan'Antananarivo.

Fiarahabana manokana no atolotra azy noho izany satria, ankoatran'ny fandresena tsy misy pentina namela lavitra ireo mpifanina aminy, dia izy no vehivavy voalohany hitantana ny renivohitr'i Madagasikara; tsy manam-paharoa izany eo amin'ny tantaran'Antananarivo.

Toy ireo vahoaka aman'etsiny, dia mametraka ny fitokisana aminao izahay amin'ny adidy lehibe sy masina noraisinao dia ny fanarenana sy fanamboarana ny tanàna nopotehana nandritry ny 6 taona, ady amin'ny fahantrana, fanasoavana ny fiaraha-monina, izany hoe fampandrosoana an'Antananarivo amin'ny ankapobeny mba ahafahan'ny mponina miaina araka ny tokony ho izy.

Dingana voalohany ihany izao fandresenao izao, dingana ho famerenana ny rariny satria tsy azo adino fa nohosihosena sy novonoina ny safidim-bahoaka raha naongana ny Filoha nofidin'izy ireo enin-taona lasa izay.

Koa mirary soa sy fahombiazana feno ho anao izahay ary manohana anao indrindra koa amin'izany asa sarotra miandry anao izany.


Genève, 01 août 2015


GTT International-Genève
Genève - CH 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".