mardi 29 mars 2016

29 marsa 1947 - 29 marsa 2016: Iray ihany ny fahavalo tamin'izany ka hatramin'izao !

69 taona lasa izay no no nanao ny Tolom-panafahana ho an'ny Tanindrazana ireo razantsika. Nampijaliana izy ireo, notifirina, natsipy avy eny an'abakabaka ary nariana tany anaty rano ny fatiny. Aman'etsiny izy ireo no maty tamin'izany.

Inona no mba nataontsika taranaka manoloana izany nosedrain'ny razantsika izany? Afaka miteny ve isika fa mendrika ny sorona nataon'izy ireo ? Ho avelantsika ho raraka an-tany fotsiny ve ny rà latsaka tamin'izany ?

Tolom-panafahana no nataon'izy ireo ary adidintsika tsy ankanavaka izay milaza ho TIA TANINDRAZANA no manohy izany satria 69 aty aoriana dia mbola eo ambany ziogan'ny mpanjanaka foana ny Tanindrazantsika.

Aiza ireo olon-kendry ? Aiza ireo olona tena Tia Tanindrazana ? Mila antsika rehetra ny Firenena hanafaka azy. 

"Iray ihany ny fahavalo tamin'izany ka hatramin'izao"







Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".