lundi 26 juin 2017

Famelabelaran-kevitra nataon'ny SMM, Paris 24 jona 2017 (sary sy vidéo)



Famelabelaran-kevitra narahina ady hevitra nataon’ny SMM
« Ny fahaleovantenan’ny Fitsarana ao Madagasikara»
Université Diderot – Paris, 24 jona 2017

Nanararaotra ny fandalovan’ireo mpiandraikitra ambony ao amin’ny SMM aty Eoropa ny GTT nanasany ny mpiray tanindrazana aty ivelany, mba hihaona sy hiady hevitra momba ny tsy fisian’ny fahaleaovantena sy ny aretina mahazo ny tontolon’ny Fitsarana any an-toerana. Marihana fa tsy mitovy firehana politika daholo ireo no tonga nanatrika. Araka izany dia tsy marina ny filazana tetsy sy teroa hoe manana endrika na loko politika ity hetsika natao ity.

Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO, Filoha, sy Ramatoa Felanasoa RANDRIANJAFY, Filoha lefitra, no nifarimbona tamin’ny famelabelaran-kevitra.

Nanome fanazavana momba ny fipetraky ny fahaleovantenan’ny fitsarana eo anivon’ny lalàna sy ny rafitra misy ary ny tsy fampiharana izany ireto mpiandraikitra ao amin’ny SMM ireto. Raha jerena ny toe-draharaha any an-Tanindrazana, dia tsapa tokoa, hoy ihany izy ireo, ny tsindry sy ny sakana avy amin’ny fitondrana ka tsy ahafahan’ireo mpitsara miasa malalaka sy araka ny lalàna.

Tsy mbola tafapetraka tokoa ny fahaleovan-tenan’ny Fitsarana nohon’ny tsy mbola fitsanganan’ny rafitra voatendry ho antoky ny fisarahan’ny fahefana isan-karazany (ohatra Haute Cour de Justice izay hiandrasana ny sonian’ny filoha sisa) na ny fifanoherana eo amin’ny rafitra (ohatra ny « Conseil Supérieur de la Magistrature » izay misahana ny asan’ny mpitsara nefa tantanan’ny Filoham-pirenena). Vokatr’izany dia lasa fitaovana politika ny Fitsarana, ka ny raharahan’ny vahoaka madinika sisa no tsaraina. Anisan’ny toe-javatra izay mampirongatra ny fitsaram-bahoaka koa izany, satria tsy mipetraka amin’ny toerany sy tsy misahana ny raharaha tokony ataony intsony ny Fitsarana.

Singany iray ao anatin’ny maro ihany ny « raharaha Claudine », fa manjaka ny tsy maty manota (impunité) ao an-toerana ary « hifamono ny Malagasy raha izao no mitohy » hoy ihany izy ireo.

Nilaza koa izy ireo fa misy anjara andraikitry ny tontolon’ny Fitsarana ny zava-misy ankehitriny, ka izany indrindra no mahatonga ny SMM, izay niova birao vao haingana, nametraka ny fahaleovantenan’ny Fitsarana ho tanjona voalohany mba ho antoky ny tany tan-dalàna, ahafahana miady amin’ny kolikoly ary hizorana mankany amin’ny fandrosoana. Tombotsoan’ny Firenena izany fa tsy misy ambadika politika. Raha nofinofy izany ho an’ny mpanakiana dia hoy izy ireo hoe miainga amin’ny nofinofy ny zavatra rehetra ary manana andraikitra sy anjara biriky ny tsirairay hanatanteraka izany. Ny SMM dia manatanteraka ny azy ao anatin’izao hetsika izao.

Narahina fifanakalozan-kevitra ny famelabelarana izay nahazoana valiny mahafapo ary dia isaorana azy ireo ny fampahalalan-kevitra toa izao

Mbola hitohy any Genève (CH) ny hetsika sy fanentanana ataon’izy ireo amin’ny Zoma 7 jolay 2017.




Sary:













Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".