Manainga ny vahoaka hanohitra ny tetika maloto rehetra hangalarana indray ny demokrasia eto Madagasikara!
Manoloana ny fanapaha-kevitry ny Fitsarana tamin’ny 28/08/2010, momba ny fanamelohana ny Filoha teo aloha Andriamatoa Marc Ravalomanana hanao asa an-terivozona mandrapahafaty nohon’ny raharaha 7 Febroary 2009, ary mbola namafisin’ny Minisitry ny fitsarana ny fanatanterahana azy, dia manao izao fanambarana izao izahay TTMR:
- Tsy fitsarana mahefa ny tribonaly nanatanteraka ny Fitsarana an’Andriamatoa Ravalomanana, izay Filoha voafidim-bahoaka satria voafehin’ny lalam-panorenana Toko faha-IV, andininy faha-131 fa ny Fitsarana avo izay mbola tsy mijoro akory hatramin'izao fotoana izao, no tribonaly manampahefana afaka hitsara ny filoham-pirenena.
- Melohanay TTMR ihany koa ny fitsabahan’ny minisitry ny Fitsarana amin’ny raharaham-pitsarana satria porofo mivantana izany fa tsy misy ny fahaleovantenan’io andrim-panjakana io eto Madagasikara.
Takianay hatrany ny fametrahana fifidianana malalaka, eken'ny rehetra, mangarahara ary manaja ny zo politikan'ny vahoaka malagasy tsy misy ankanavaka.
TTMR
Tia Tanindrazana Manohana ny filoha Ravalomanana
https://www.ttmr8.org/accueil/fanambaranny-tia-tanindrazana-mpanohana-ny-filoha-ravalomanana-ttmr1128438
******************
Déclaration du Collectif de soutien patriote pour Marc Ravalomanana (TTMR)
Ne nous laissons pas voler encore une fois la démocratie à Madagascar!!
Après la décision judiciaire de la Cour criminelle ordinaire du 28 août 2010, condamnant par contumace l’ancien Président de la République Marc Ravalomanana à une peine de travaux forcés à perpétuité, peine dont l’exécution a été récemment confirmée par la Ministre de la justice, la plate-forme TTMR dénonce:
- l’incompétence de ce Tribunal pour cette affaire qui, selon la Constitution au Chapitre IV article 131, devra relever de la Haute Cour de Justice, la seule institution judiciaire compétente pour juger un Président de la République, et jusqu'à ce jour, elle n’est toujours pas créée ;
- la mainmise du pouvoir central sur les affaires judiciaires, en l’occurrence l’instrumentalisation de la justice pour abattre tout adversaire politique. Peut-on parler d’indépendance de la justice lorsque la ministre en exercice se permet d’émettre des commentaires sur une décision judiciaire ?
Nous demandons instamment des élections libres, transparentes, inclusives, acceptées par tous et respectueuses des droits politiques de tous les citoyens malagasy sans exception.
TTMR
Collectif de soutien patriote pour Marc Ravalomanana
https://www.ttmr8.org/accueil/fanambaranny-tia-tanindrazana-mpanohana-ny-filoha-ravalomanana-ttmr1128438
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire