dimanche 1 avril 2018

TARATASY MISOKATRA HO AN’NY SOLOMBAVAMBAHOAKA TIM REHETRA


IMG_0527 (Photo: Assemblée Nationale)
« Volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana : tompon’andraikitra mivantana eo anoloan’ny vahoaka sy ny Firenena ianareo amin’izany»
 
 
Manoloana ny zava-misy sy ny fizotran’ny raharaham-pirenena dia tsy hainay ny hangina satria tsapa fa alohalika ny ranombary ankehitriny, indrindra mikasika ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana.

Eo anoloan’ny Antenimieram-pirenena izany volavolan-dalàna izany ankehitriny anaovana ady hevitra alohan’ny handaniana sy amoahana azy ho lalàna. Fantatrareo tsara ny tetika ambadika fonosin’io volavolan-dalàna io dia ny fanomezana vahana ny kandida HVM, ary ny hamehezana ny Filoha Ravalomanana tsy ahafahany hilatsaka ho fidiana.

Noho izany, tsy tokony hangina na hanarak’onjany fotsiny na sanatria hanaiky kolikoly ianareo fa handray ny andraikitra tandrify anareo amin’ny maha-olomboafidy mpanohitra anareo. Rehefa tsy mifanaraka amin’ny tombotsoam-pirenena na mifanohitra amin'ny zo fototry ny kandida Ravalomanana sy ny vahoaka mpanohana azy, dia tokony miady sy manohitra marindrano ianareo, izany indrindra no nifidianana anareo. Ny ankoatr’izay dia politika hafa feno kajikajy.

Tianay ny manamarika fa toa voafidy daholo tsy nisy fanoherana ireo lalàna maro naroson’ny fitondrana teo anivon’ny Antenimieram-pirenena, kanefa ny HVM dia tsy manana solombavambahoaka na iray aza ! Anisan’izany ny lalàna mifehy ny serasera (art 20 du code de la communication), ny lalàna momba ny CENI ary ny lalàna mikasika ny fampihavanam-pirenena.

Koa mampitandrina izahay amin’ny maha olom-pirenena anay fa tsy ho afa-maina amin’ny mety ho vokatry ny fandaniana io volavolan-dalàna mamoafady io ianareo, tompon’andraikitra mivantana eo anoloan’ny vahoaka sy ny Firenena ianareo amin’izany.

Koa raiso ny andraikitrareo, asehoy mazava amin’ny vahoaka nifidy anareo fa ny tombotsoan’ny Firenena no manentana anareo fa tsy ny kajikajy politika ahazoana na hitazoman-tseza akory. Efa leo an’izany ny vahoaka.

TTMR

https://www.ttmr8.org/accueil/taratasy-misokatra-ho-anny-solombavambahoaka-tim-rehetra


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".