lundi 29 août 2011

27/08/2011- RODOBE TOAMASINA : Laha-teny

FILOHA RAVALOMANANA TAO TOAMASINA

Mody aho vao misy fanaovan-tsonia tondro zotra izany

Ny tolakandron’ny asabotsy 27 aogositra , vory maro be tao amin’ny kianjan’ny Fihavanana Tanambao V ny ekipan’ny Rodobe Toamasina sy ny mpiara-dia rehetra. Niditra mivantana ny Filoha Ravalomanana sy ny Filoha Zafy Albert.

-Filoha Ravalomanana: Tsy maintsy ho avy aho e!. Tsy maintsy tonga Dada vao misy fanaovan-tsonia tondro zotra nasiam-panitsiana izany. Tsy ho azo velively ny reconnaissance raha tsy amin’ny alalan’ny fiaraha-mitantana. Tsy demokrasia no misy ao Madagasikara amin’izao fa didy jadona. Henon’ny SADC ireo fanambarana nataon’ny vondrona politika enina. Mankasitraka an’ireo olona ireo aho satria naneho tokoa ny tena fitiavan-tanindrazana. Apetraho aloha ny hambom-po fa hiroso amin’ny Fitondrana Tetezamita tena izy isika. Matoky ny SADC aho, matoky ny SADC koa ny ONU sy ny Vondrona Afrikanina.

-Filoha Zafy: Tsy maintsy ataontsika ny hamoahana an’ireo anarana’olona rehetra cerveau mpanondrana bois de rose. Hiditra amin’ny Repoblika faha-IV isika ka mila madio ny firenena. Mahereza daholo. Tsy maintsy mandresy isika.

-Iandro Roberson Pierre dit Sôlamena: Kianjan’ny Fihavanana ity kianjan’ny Magro Tanambao V ity. Amin’ny volana septambre io tsy maintsy tonga eto Madagasikara ny Filoha roalahy.

-Vavy Julienne: Tapero ny Tetezamita. Ataovy ny Fampihavanam-pirenena. Na inona na inona fanazavana atao: ny fiaraha-mitantana ihany no vahaolana.

-Honoré, ben’ny tanànan’i Ampasimazava Vavatenina teo aloha: Nalana Ravalomanana niditra Ranaivo. Fanapotehana fa tsy fanovana no netin-dRanaivo. Potika i Madagasikarantsika ity raha mbola io zalahely io no mitondra eo. Vonona izahay Analanjirofo hifanome Tanana hamerina ny ara-dalàna.

-Radebason Michel dit Jôlahy Mena tsy mataho-maso mena: mandeha ny feo any Antananarivo any fa hosamborina hono zaho. Tsy hangina velively ny tenako. Tsy hadenfitra raha tsy tonga eto ny Filoha Ratsiraka sy ny Filoha Ravalomanana. Samy nosoran-dreniny menaka.

-Solontenan’i Brickaville: Tsy mbola nahita mpitondra teto Madagasikara voailikilika any an-dafy tahaka izao aho. Tsy hahazo fankatoavana velively io tetezamita raha tsy miroso amin’ny fiaraha-mitantana. Mijaly ny vahoakan’i Brickaville, mila mivaha ity krizy ity.

-Guy Maxime Ralaiseheno( niditra mivantana): ny fanomanana ny fitsenana an’i Dada sy Deba no tokony imasoantsika mafy ankehitriny.

-Dahy Emilien: efa tsy lava kabary zaho fa hafatra ho an’ny mpitondra sy antsika vahoaka tsotra ny ahy: ô re ô! Mangalà honon-draha.

-Kotomanantsoa Remi Weng Lion( Filohan’ny rodobe Toamasina): mitondra ny fialantsiny avy amin’ny Président Zafy. Tokony teto izy androany fa noho ny adidy hafa , dia tsy tafaraka tamintsika teto izy. Mitohy ny tolontsika. Tsy misy miala eto. Vahaolana hivoahana amin’ny krizy ny fodian’ny Filoha roalahy ary ny fanaovan-tsonia ny tondro zotra nasiam-panitsiana.

Nandritra ity fihaonana ity koa no nitondran’i Victor Hong fanazavana tamin’ny mpanao gazety mahakasika ireo tsikera atobaky ny olona eny amin’ny Internet. Mazava ny nolazain’ity Filohan’ny fikambanana OFPACPA ity: “hitako daholo ireo fanaratsiana ahy eny amin’ny Forum Site Internet TIM ireo izay afafin’ny olona sasantsasany milaza azy ho miara-dia amin’ny Filoha Ravalomanana. Inona no problème-n’ireny olona ireny?. Tsy zaran-jareo aza zaho Victor Hong izay sakay sy maso tamin’i Ravalomanana 2002-2009 nefa mitaky ny fiverenany eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Atsaharo ary adinoy ireo tantara ratsy rehetra, ndao hiara-hametraka tantara tsara vaovao ho an’ny firenentsika”.

Nangonin’i Mika( Toamasina)



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".