mercredi 24 août 2011

GTT International Genève Toamasina Miaro ny ara-dalana sy ny tany tan-dalana

Politique

23/08/2011

Mazava izao fa “tondrozotra asiam-panitsiana ihany no haroson’ny SADC entina hamahana ny krizy politika eto Madagasikara”, araka ny tapaka tany Luanda farany teo.

Tsy azo ihodivirana intsony ny fodian’ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny Amiraly Ratsiraka ary ireo nanao sesitany politika ny tenany tany ivelany noho ny valifaty sy ny fanenjehana ara-politika tao anatin’izay 29 volan’ny krizy sy fanonganam-panjakana nitranga teto amintsika izay. Nitsikera ireo GTT sandoka koa ny GTT International Genève Toamasina tamin’ny filazana fa “mpisandoka sy sandoka izay milaza azy ho GTT nefa miara-dia amin’ny FAT”.

Tsy miala amin’ny fijery hatramin’izay ny GTT International Genève dia ny fitakiana ny fiverenana amin’ny ara-dalàna sy ny tany tan-dalàna. Nanentaena hatrany ny mponin’i Toamasina izy ireo mba hanatevina ny Rodobe satria efa akaiky ny farany. Efa “mandresy isika Malagasy mitaky ny marina sy ny rariny ary ny demokrasia marina”. Isany mpanangana sy mpitarika ary mpiara-mpitantanana ny Rodobe ao Toamasina ny GTT International Genève sampana Toamasina.

Rakoutou

Source: http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=5047&idcat=2


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".