lundi 17 octobre 2011

Fénérive - Est - Hetsika nataon'ny Ekipa GTT INTER GE Toamasina


Tsy diso anjara ny renivohitry ny Faritra Analanjirofo
Ny tolakandron’ny alahady 16 oktobra lasa teo, nampiantso olon-tsotra tao amin’ny efi-trano malalaka iray tao Fénérive-Est ny ekipa GTT International Genève Toamasina. Nandritra izany no nitondran’izy ireo fanazavana ny fipetraky ny toe-draharaham-pirenena. Niditra mivantana ny birao foibe GTT Inter Genève tamin’ny fampahafantarana ny tena vaovao marina eto Madagasikara sy ireo teboka maromaro. I Ramatoa Patricia Lehmann (Filoha Lefitra) izay nanazava ny raharaha 7 febroary 2009, izay nilazany mazava tsara fa ny FAT no tompon’antoka tamin’iny raharaha iny. Ny Filoha Dr Gilbert Darsot kosa tetsy ankilany nitondra fankaherezana ho an’ny mpitolona rehetra tao Fénérive-Est. Tsy nanadino ny fampitam-baovao koa ny mpiandraikitra ny serasera eo anivon’ny GTT Inter Ge, Pr Dieudonné Ranarison. Ity farany izay nanazava ireo hetsika sy ny tolona rehetra ataon’ny GTT Inter Genève na any ivelany na eto Madagasikara ho famerenana eto Madagasikara sy eo amin’ny Fitondrana ny Filoha voafidim-bahoaka, Marc Ravalomanana.
Afa-po sy nankasitraka izao fampitam-baovao nataon’ny GTT Inter Genève izao ireo nanatrika rehetra ary nisaotra manokana ny ezaka ataon’ny GTT Inter Genève ary maniry mafy koa amin’ny manaraka ny hihaino mivantana ny feon’i Dada toy ny ataony amin’ireo Faritra maro manerana ny Nosy.
Nofaranana tamin’ny fiaraha-mikorana ny fotoana.



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".