samedi 3 décembre 2011

Zoma 02/12/2011 : Valan-dresaka nataon’ny V O T


Nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny Hôtel Nalugaro 67ha ny V O T (Vondron'Olon-Tsotra  Manohana ny Filoha Marc Ravalomanana  sy Mitaky ny ara-dalàna) ny zoma 02/12/2011 tamin’ny 10 ora maraina.Tonga nanampy azy ireo tamin' izao hetsika izao koa ny fikambanan’ny Mahery fo 2009.
Toy izao ary ny fehin-kevitra nivoaka sy nambaran’izy ireo tamin izany izay nifantoka betsaka tamin’ny fanamafisana ny Tolona :

« Mitaky  tsy misy fepetra ny fametrahana ny « apaisement » politika sy sosialy mba hisin’ny fototra demokratika marina eto Madagasikara izahay.  Ka takianay VOT manerana ny Nosy ny hanatanterahana haingana tsy misy hatak'andro ireto teboka lehibe ireto :
  • Mody tsy misy fepetra eto an-Tanindrazana Atoa Filoha Marc Ravalomanana sy ireo sesi-tany politika satria  izahay vahoaka Malagasy maro an'isa  manerana ny Nosy no nisafidy malalaka nametraka azy hitondra ny tany sy ny Firenena  eto Madagasikara  ka takianay ny fodiny eto an-Tanindrazana.
  • Mitaky ny famoahana faran’izay haingana ireo gadra politika rehetra mbola any amponja izahay VOT na sivily io na miaramila.
  • Sokafana  ny haino aman-jery nakatona  fa leo ny vaovao fafy lainga ataon’ny haino aman-jerin’ny mpanohana FAT izahay vahoaka Malagasy manerana ny Nosy. Izy ireo mantsy no mahazo vahana miely eto Madagasikara ka leo ny fandemen-tsaina vohiziny izahay vahoaka mpanjifa.
  • Manohana tsy misy fepetra ny fikaonan-doha (Sommet) handraisan’ny hery velona tsy ankanavaka anjara eto Madagasikara izahay ary takiana ny fanatontosana izany haingana eto an-Tanindrazana miaraka amin’Atoa Filoha Ravalomanana. Tokony handray anjara amin’izany avokoa ny hery velona rehetra ( FFKM, SOCIÉTÉ CIVILE, MPANAO POLITIKA SY IREO FOLOALINDAHY REHETRA, FIARAHAMONIM-PIRENENA ) satria izay no hisin’ny antoka amin’ny firosoana ho amin’ny fifamelana sy fiaraha-mitantana tetezamita eken’ny rehetra ary irosoana amin' ny fampihavanam-pirenena. Vita ireo vao tokony miroso amin’ny fametrahana ny rafitra rehetra fitsinjarana seza ary hanatanterahana ny fifidianana mangarahara sy madio araky ny fomba demokratika.
  • Manambara ihany koa izahay fa tsy vonona ny hamaha olana ingahy Andry Rajoelina sy ny ny ekipany ao aminy FAT satria tsy manaja ny voasoratry ny tondrozotra araky ny fifanarahana natao sonia satria mbola manjaka ny fampihorohorona, ny didy jadona sy fisamborana ary ny fanaovana rahamatahora ataon izy ireo. Ka ambaranay VOT ho re-tany,  ren-danitra fa vato misakana amin’ny famahana olana ingahy Andry Rajoelina  mitady hanjaka tokana mandrakariva.

Ireo teboka ireo no takinay VOT ary anomezanay fe-potoana herin'andro an’ireo mpitondra ny FAT amin’ny hanatontosana izany satria efa tena mijaly izahay vahoaka amin’ity krizy lava reny tsy ahitam-bahaolana ity.

Manao antso avo ihany koa izahay VOT amin’ireo sehatra iraisam-pirenena indrindra ireo mpanelanelana TROIKA sy SADC  mba hijery  ny zava-misy marina tsy mitanila na hiaino feon-dakolosy tokana fa tokony  hijery ifotony ary handray fepetra haingana araky ny tondrozotra. Raha ny zava-misy eto an-toerana mantsy no jerena dia mbola fanampahan-kevitr’olon-tokana no misy ary mbola manohy ny teti-dratsiny amin’ny fanjakazakana tokana ingahy Andry Rajoelina sy ny ekipany ary tsy manaja ny tondrozotra ihany koa.

Manoloana izany dia manambara ampahibemaso izahay Vahoaka manerana ny NOSY fa tsy mahavaha olana ny fizarana seza  misy ankehitriny fa fanampiana trotraka sy fambolena krizy efa misy izay mampitondra faisana anay Vahoaka madinika milanja ny mangidy sy ny voka-dratsiny.


Mampitandrina ihany koa ireo vahiny izay mitrandraka mandrakariva ny hanjanaka an’i Madagasikara izahay VOT noho ny fiarovan'izy ireo ny tombontsoany ka tsy mahay afa-tsy ny manakorontana sy mampisara-bazana na koa manosihosy ny zo sy ny soatoavina maha Malagasy. Noho izany dia manamafy ny fampitandremana azy ireo izahay vahoaka fa i Madagasikara dia tsy an’ny vahiny fa an’ny Malagasy ka zo sy adidin’ny Malagasy no miaro sy mody eto amin’ny Tanindrazany. Tsy ny vahiny velively no hiseho handidy na  hifehy ny Malagasy.


Miantso sy manainga ary manentana ny Malagasy mpiray Tanindrazana tsy ankanavaka manerana ny Nosy  izahay VOT mba ho sahy hijoro  sy handray andraikitra, ho saro-piaro sy hiaro ity NOSY TANINDRAZANA MALALANTSIKA ITY fa masina ny tanindrazana.

Ary ny Malagasy no tompon’ny Tanindrazana fa tsy ny vahiny.

Mitohy ny tolona ary tsy hijanona raha tsy mivaly ny fitakiana nijoroana dia ny FIVERENAN’ATOA FILOHA MARC RAVALOMANANA satria isika vahoaka no mitaky ny fodiny eto an-toerana tsy misy fepetra.


Ho fehiny dia amafisinay VOT fa herinandro no fe-potoana omena ny FAT hanatontosana izany fa raha tapitra io fotoana nomena io dia hiakatra ambony sy hafana ny hetsi-pitolomana ataonay VOT manerana ny nosy.”





1 commentaire:

  1. Manohana anareo tanterak .
    viravirain nny frantsay sy rajoelina ny tandrazana .
    horaisin I Sarkozy i rajoelina ao @ elyséee @7 decembre @ 17 h.

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".