mardi 24 janvier 2012

24/01/2012 - Valan-dresaka nataon'ny RODOBE Toamasina: Beriziky, na vahoaka na FAT

Ny harivan’ny talata 24 janoary, nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny foiben-toerany ao amin’ny Villa Huga Mangarivotra Atsimo ry zareo avy eo anivon’ny Rodobe Toamasina. Fihaonana tamin’ny mpanao gazety izay notarihin’ny Filohany Kotomanantsoa Remi Weng Lion. Hentitra sy mazava ny fitakiana ataon’izy ireo : tokony hisafidy izay tena asiany ny tongony i Jean Omer Beriziky. Izahay tao amin’ny Movansy Zafy hoy Kotomanantsoa Remi no nalotra an’i Beriziky fa hita soritra fa mivaralila ny zavatra ataon’ny PM ankehitriny. Tokony hisafidy mazava tsara izy na hanompo ny FAT na hanohana ny fitakiam-bahoaka maro an’isa. Ny PM no tokony ho lohalarana amin’ny fampiharana ny tondro zotra nefaz indray mantsy ankehitriny no mamilivily izany tondro zotra izany. Fanitsakitsahan-dalàna ny tsy fampiharana ny ara-bakiteny ny tondro zotra satria efa navadika ho lalàna iny tondro zotra iny.
Notsipihin’ny mpitarika ny Rodobe Toamasina fa porofo tsy azo lavina iny zava-nisy tao Ivato tamin’ny asabotsy iny: naloam-bahoaka maro an’isa i Rajoelina ary efa manao tsipakin’ny miala aina.
Tsy nitsitsy ary nanamafy ingahy Sôlamena fa asa fampihorohoroana iny nataon-dRajoelina tamin’ny fiaramanidina nitondra ny Filoha Ravalomanana tamin’ny asabotsy iny.
Nanamafy ny Rodobe Toamasina fa iray tsy mivaky ary tsy hihemotra ary tsy maintsy tonga eto Madagasikara ny Filoha Ravalomanana. Lohalaharana hitsena azy i Toamasina.

Nangonin’i Mika ( Toamasina)









Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".