jeudi 10 mai 2012

ASANDRATRO NY FIRENEKO: fanambaran'ny fikambanana sy olon-tsotra

Fanambarana

Mitohy hatramin’izao ny fanjanahana ary tsy mbola misy ny fitondrana mendrika ho tetezamita. Koa ny fidiran’ireo Ankolafy mpanohitra ao dia firaisana tsikombakomba fotsiny izao araka ny zavatra hita sy miseho ankehitriny.

Ankehitriny dia maro ny mangataka ny hialan’izy ireo ao amin’io fiarahana io satria hita fa nandamoka sy nitondra voka-dratsy ho an’ny firenena aza ny nidirana tao. Eo ihany koa ny convention de Cotonou izay tsy manaiky mihitsy ny hitondran’ny mpanongam-panjakana na dia tetezamita aza.

Eo anatrehan’izany loza mitatao eo amin’ny firenena izany dia mijoro ny hetsi-bahoaka, ary isan’ireny ASANDRATRO, mahita ny tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena sy ny fahantrana ombam-pahasahiranana, ny tsy fandriampahalemana, fitavanana ny harem-pirenena sy ny fananam-pirenena ka tena latsaka an-kady ny firenena.

Maro dia maro ireo mively takotra mila famonjena : ny Mpianatra, ny mpampianatra, ny sehatry ny fihariana samihafa, ny fitsarana, ny mpitsabo sy ny mpampivelona, ny tantsaha, ny very asa sy ny tsy manan-kivelomana…

Hany ka ireo izay heverina ho “valala tsy mandadiharona” dia lasa “valala voatango” very fanahy mbola velona.

Manainga ny vahoaka Malagasy, tompon’ny fahefana, sy ny tandroka aron’ny vozona, mpandrindra fahalemana, hanambatra ny hery, handamina sy handray andraikitra hamerina indray ny Hasin’ny tanidrazana ka hitaky tetezamita vaovao : tsy mitanila ary andraisan’ny ankolafin-kery rehetra anjara. Manana andraikitra io tetezamita vaovao io, ny hamerina ny fitonian’ny fiarahamonina, ny fandriam-pahalemana ary hanomana ny fametrahana soatoavina demôkratika mifanaraka amin’ny kolontsaina Malagasy sy matahotra an’Andriamanitra.

Koa nivondrona ho ASANDRATRO ireo fikambanana sy olo-tsotra maromaro rehefa nahatsapa fa mila :
- Mandratsana sy manapaka ireo fahalovana isika : mamantatra ny voa tsara, hokoloina, ary manilika ny voa ratsy,
- Manongotra ifakany ireo fototry ny fikorotanana miverimberina, izay fantatra fa tarazon’ny politikam-panjanahana frantsay entin’ireo saribakoliny,
- Manorina sy Mamerina ny hasin’ny firenena Malagasy amin’ny alalan’ny kolontsainy, ny teniny ary ny haren’ny taniny. Ary mamerina indray ny firenena Malagasy ho eo am-pelatanan’Andriamanitra.
ASANDRATRO
“Asandratro ny fireneko”

asandratro@yahoo.com
Contact : Dr ANDRIAMPENO Ravo

1 commentaire:

  1. “Asandratro ny fireneko” : Eny Tompoko. Miombom-bavaka miaraka Aminareo ny tenanay.
    "Oui, YAHVE, c'est TOI qui promets ce boneur à ton serviteur, TOI qui es vraiment DIEU ! Qu'il te plaise alors de bénir la maison de ton serviteur, pour qu'elle reste à jamais devant TOI. C'est TOI, YAHVE, qui as béni, elle est bénie à jamais !" (1 Chron. 17, 26-27).Samy mino fa misy Andriamanitra be indrafo. Amena.

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".