lundi 21 mai 2012

FANAMBARANA 19/05/12

Izahay MALAGASY TIA TANINDRAZANA ,eto amin’ny faritra 5 VAKINANKARATRA ,AMORON’I MANIA,MENABE,MATSIATRA AMBONY,ATSIMO ATSINANANA ; dia manao izao fanambarana manaraka izao :

Mikatso tanteraka ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny ?ka mitarika ny Fahantrana sy ny fijalian’ny vahoaka Malagasy,izay mitarika mankany amin’ny tebitebin-tsaina ho an’ny tsy mandady harona.
 
Mitohy hatrany ireo endrika maro fanitsakitsahina ny zo fototra maha olona,sy ny fampihorohorona amin’ny alalan’ny hery ara-miaramila ho hery famoretana hanatanterahana izany.
 
Mitohy hatrany koa ny fanaovana tsinontsinona ny hery hafa izay voalaza ho ao anaty ny fiaraha mitantana.
 
Sy ny maro tsy ho voantanisa…  

- Aiza izao ny fanatontosana ireo andininy (articles) izay nahatonga ny Ankolafy Ravalomanana nanao sonia, izany hoe: famoahana ny gadra politika, ny fisokafan’ny haino aman-jery ary indrindra ny fodian’ny Filoha Ravalomanana (andininy faha 16-17-18-20)?sy ny fahafahan’ny Malagasy rehetra maneho hevitra ankalalahana? Izay tokony ho farany bitika ho amin’ny fisian’ny tena fiaraha mitantana…

Nazava tsara ny FANAMBARANA nataon’ny Filoha Marc RAVALOMANANA ny 30 Avril lasa teo ny tokony hialàna tsy misy hatak’andro ao amin’ny rafitra fiaraha mitantana. Kanefa tsy nisy nadia iray aza amin’ireo voateniny izany mba nanaraka ny teniny…

- Ao koa ny fihetsika izay nahatonga ny fahatezeran’ireo mpitolona rehetra (12 Mai sy 13 Mai). Ny tompon’andraikitra amin’ny tsy fahombiazan’ny Tolona dia ny fidiran’ny Ankolafy Ravalomanana tao anaty Rafitra, ary indrindra nanaiky sy niray asa  tamin’ireo mpanonga-mpanjakana.Taiza ny mpitarika tamin’ireo hetsi-bahoaka ireo ?
 
-Nazava ihany koa ny fanambarana nataon’izy ireo farany teo fa isika ankolafy Ravalomanana dia ao anatin’ny fiaraha mitantana fa tsy mpanohitra…

Very fanahy mbola velona ny vahoaka manoloana izany ka nirenireny tsy nisy mpitarika toy ny kamboty. Tezitra sy mahatsiaro voafitaka izy ireo. Ao ny teny etsy sy eroa milaza hoe : “Mpitari-tolona mpamadika, voavidy, sns...”.
 
Maro ireo FIFANARATSIANA sy FIFANENJEHANA miseho etsy sy eroa izay miendrika ho famonoana ny tolona nimatimatesana hatramin’izay,izay ireo samy milaza ho mpitarika ato anaty ny Ankolafy Ravalomanana ihany.
 
Koa:Manamafy ny FANAMBARANA izay nataon’ny GTT INT farany teo izahay,ary manambara etoana fa
fotoanan’ny tsotsoro-mamba isarahana izao.
  • Takianay ny hialan’ireo milaza ho avy ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana ao anatin’io tetezamita io.
  • Tsy misalasala izahay milaza fa mpiray tsikombakomba amin’ny mpanongam-panjakana ireo mpitarika ny ankolafy ankehitriny satria tsy manaraka  ny tenin’ny Filohan’ny Ankolafy
  • Mihendrika ho famitaham-bahoaka no hataon’ireo rehetra izay tsy manaraka ny tenin’ny FILOHA RAVALOMANANA;
  • Ho an’izay tsy manaiky ny fitakian’ny Vahoaka dia Takianay ny tsy hitondrany ny anaran’ny ankolafy intsony na iza izy na iza.na inona andraikiny ao amin’io rafitra io na inona,na avy aiza na avy aiza.
MASINA NY TANINDRAZANA  TSY MAINTSY MANDRESY NY TOLONA
 
 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".