samedi 16 février 2013

Antso ho an'ny vahoaka tan-dalàna, mitaky ny fiverenan'ny Filoha Ravalomanana.


Malagasy Mandresy, Madagasikara Afaka
Peuple Malagasy Gagnant. Madagasikara Libre
Winner Malagasy People. Free Madagasikara




Eo anoloan'ny fahasahiranana lehibe mahazo ny fianakavian'ny filoha Ravalomanana:
- Tsy salama ary eny amin'ny hopitaly ny renin'i Rtoa Lalao Ravalomanana amin'izao fotoana,
- Tsy manaiky ny fodiany an-tanindrazana mba hanotrona ny reniny anefa ny mpanongam-panjakana,

Tsiahivina koa fa miziriziry amin'ny toetra feno habibiana ary tsy manaiky mihintsy ny fodian'ny Filoha ry zareo. Hatrizay dia nolavin'ireto mpitondra tsy ara-dalàna hatrany sy tsy nasiany dikany ny teny nomeny sy ny sonia nataony (Tondro-zotra).

Ny momba ny  fodian-dRtoa Lalao Ravalomanana dia mazava fa tsy firaharahiana ny Zon'olombelona ihany koa satria hoy ny navalin-dRajoelina hoe "mbola ho eritreretina lalina ny momba izany". Tsy mahagaga izany satria mpandroba fahefana sy mpamono olona ny mpitondra antsika.

Etsy andaniny anefa, dia tsapanay fa miraviravy tanana sy tsy mandray ny andraikitra mazava tokony ho raisiny ny ankolafy Ravalomanana eo anatrehan'izao zava-mitranga izao, indrindra eo amin'ny tena asa fampodiana ny Fianakavian'ny filoha. Voaporofo izany. Vitan'ny namangy sy nivavaka teny amin'ny hopitaly ve ny anjaranareo ?

Misy andraikitrareo mivantana koa raha tsy mbola tafody ny Filoha sy ny fianakaviany hatramin'izao. Mandray anjara amin'io fitondrana tetezamita io ianareo ankolafy Ravalomanana (ministra, CT, CST) ka feno sy tsy afa-miala amin'izany andraikitra izany. Na ianareo tsy mahay miasa, na nahazo tsirony sy nahita tombontsoa manokana ka tsy maniry ny hiala intsony, nataonareo any anaty fako ny tombontsoan'ny Malagasy.

Tsy azo lazaina ve ianareo amin'izany hoe mpiray tsikombakomba amin'ny "politika ratsy" ataon'ny mpanongana? Hainareo ny niditra fa tsy hitanareo ny varavarana hivoahana ?

Noho izany dia miantso ny Fikambanana, antoko, olon-tsotra, ny vahoaka malagasy tan-dalàna izay tena mitaky ny fiverenan'ny Filoha Ravalomanana izahay mba handray sy hanefa ny adidy masina eo amin'ny Tanindrazana sy ny taranaka faramandimby:

TSY RARINY INTSONY FA RAISO NY ADIDY
TAKIO NY FODIAN'NY FILOHA SY NY FIANAKAVIANY ARY IREO SESI-TANY REHETRA.
MIJOROA, TAKIO NY RARINY ary TSIPAHO IREO VATO MISAKANA.

Genève, 16 febroary 2013


GTT INTERNATIONAL GENEVE
 Collectif des Patriotes Malagasy
 15, rue des Savoises
 1200 Genève – SUISSE




Fanambarana avy amin'ny fianakaviana Ravalomanana

"Lazaina fa misy ny fitiavana ary milaza fa namana, kanefa dia haratsiam-panahy ny fisehoan'izany. Ny tena namana dia tsy mangetaheta izay hampalahelo ny manodidina azy, fa fanampiana aza no atao. Samy mba natera-behivavy avokoa ny Malagasy rehetra ary samy mahatsapa ny lanjan'izany atao hoe "Reny" izany. Ontsa ny fon'ny fianakaviana, indrindra fa i Bebe Razay, izay efa 83 taona ihany, raha maniry ny hahita ny zanany Lalao Ravalomanana mba hamangy azy aty amin'ny hopitaly satria tsy misy ny tompon'ny ampitso fa an'Andriamanitra irery ihany no tompon'ny lahatra. 
Mino sy manantena izahay fa mbola tsy maty ao amintsika ny Fahendrena Malagasy ary hanome ohatra tsara ho an'ny taranaka faramandimby". 

Fianakaviana Ravalomanana






1 commentaire:

  1. Efa fantatra hatr@ ny ela fa tsy anaiky ny fodiany fianakaviany Filoha Ravalomanana mihintsy i Andry Rajoelina ;Fa ireto mouvance Ravalomanana ato aminy fitondrana koa tsy vahiny @ izany, fa nataony fitaovana fotsiny ny Anarany hoe Mouvance Ravalomanana mba hafahany miditra @ ty fitondrana ty.Ary tsy mba niezaka zay hiverenan'dRavalomana antanindrazana, na koa hoe namoaka ireo gadra tavela , na namoa ireo RADIO sy TV nidina t@tsy rariny, fa de naleondreo nmiara misosy @ ity fitondrana foza oranabe ity.Ny vahoaka mpitolona moa dia nataondreo tohatra fiakarana ary mbola omeny valium hatraminizao mba tsy hahatsoarotena hoe voafitaka, TSY MENATRA VE RY ZAREO, efa mamfantatra daolo anie ny olona , fa ny filoha Ravalomanana sisa no andehanana eny an kianja. Ny fahavalo voalohany aloaha dia ireto mpamadika andRavalomanana miara mitondra @ ity fitondrana mampijaly vahoka ity, efa lasa mpangalatra sy mivarotena ny ankabetsahany ny olona fa e! e! e! HISOSY MAHARITRA ALOA RY ZAREO.

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".