mardi 20 août 2013

Ho an’ny mpitarika ny Ankolafy RAVALOMANANA : “Tsy manana fahatokisana anareo intsony ny vahoaka: atsangano ny Ankolafy RAKOTOARIVELO”

Malagasy Mandresy, Madagasikara Afaka
Peuple Malagasy Gagnant. Madagasikara Libre
Winner Malagasy People. Free Madagasikara

Ho an’ny mpitarika ny Ankolafy RAVALOMANANA

“Tsy manana fahatokisana anareo intsony ny vahoaka: atsangano ny Ankolafy RAKOTOARIVELO”


Iaraha-mahalala fa notsipahin’ny CES tsy ho kandidà intsony i Rtoa Lalao RAVALOMANANA. Azo lazaina fa efa nampoizina ihany io trangan-javatra io raha ny fizotran’ny raharaha no jerena, satria ny tenany mihitsy no anisan’ny tiana ahilika tsy hilatsaka ho fidiana. Ary efa hatrany amboalohany dia efa hita taratra izany teti-dratsin’ny Fianakavam-be Iraisampirenena izany raha vao nobaikony ny fitondran’i Rajoelina hanova sy handrodana ny CES voalohany miaraka amin’ny lisitra navoakany. Fanapahan-kevitra politika izany zavatra izany ary mazava ho azy fa tsy azonay ekena velively.
Porofo indrindra koa izany fa mitombona ireo fomba fijery sy famakafakana ary ny fampitandremana narosonay hatrizay.
Manana andraikitra feno amin’izao fanilihana an-dRtoa Lalao RAVALOMANANA izao Atoa Mamy RAKOTOARIVELO sy ny ankolafy tarihiny, izay milaza ombieny fa manohana azy raha nisafidy ny handray anjara sy natoky io CES vaovao io.
Tsy nisy fahombiazana mihitsy hatreto izay safidy sy fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo fa fihatsaram-belatsihy no betsaka ka vao mainka aza nampilentika ny tolona, ka mahatonga anay hanamafy fa:
  • misy firaisana tsikomba amin’ny fahavalo ao amin’ny ankolafy “hamonoana” tanteraka ara-politika ny fianakaviana RAVALOMANANA. Satria ny ao an-toerana voahilika, ny any Afrika atsimo mihitsoka any.
  • Anisan’ny tetika efa maty paika nokononkononina hametrahana an’i Mamy Rakotoarivelo ho eo amin’ny toeran’i Rtoa Lalao RAVALOMANANA izao zavatra izao.
Noho izany, dia tsy manana fahatokisana anareo intsony ny vahoaka amin’ny fitondrana ny Tolona. Hafa ny tanjona arahanareo. Tsy azonareo fitahina intsony ny mpitolona fa ampy izay 4 taona sy tapany nijaliany sy nanodinkodinana azy izay. Koa:
·         Amafisinay ny fangatahanay ny fialànareo tsy ho mpitarika intsony ny Ankolafy RAVALOMANANA. Fahendrena ho anareo no miala raha tsy te-ho tsarain’ny tantara. Marihana fa efa nanao io fangatahana io izahay teo aloha (Fanambarana tamin’ny 13/08/2013),
·         Tsy ilaina intsony ny fijanonanareo ao anatin’ny Ankolafy Ravalomanana izay ataonareo tohatra hiakarana sy hanatevenan-karena ary ahazoam-boninahitra fotsiny. Zavatra hafa no takian’ny Firenena amin’izao fotoana mangidy diaviny izao. Nampidirina anaty kizo ny Tanindrazana ka mila aina vaovao.
·         Mangataka ny Filoha Ravalomanana, izay “chef de file” n’ny ankolafy, izahay mba hanala ireo manimba sy mamadika ny tolona ka mitondra ny Malagasy any amin'ny aizina mangitsokitsoka,
Manainga ny vahoaka tan-dalàna ihany koa izahay handray ny andraikitra tandrify azy avy ary tsy hanaiky ho rebirebena intsony, tsy hanaiky intsony ny fanosihosena ny safidiny fa hiady tanteraka ho an’ny famerenana ny ara-dalàna sy ny fanavotana ny Tanindrazana.
Farany, tianay ny mampahatsiahy fa tsy miova ny fanohananay feno an-dRtoa Lalao RAVALOMANANA izay tsy azo soloina olon-kafa.
Genève, 19 Aogositra 2013


GTT Iraisampirenena-Genève / GTT International–Genève


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".