vendredi 28 octobre 2016

*** F A M P A H A T S I A H I V A N A *** FANGATAHANA AN-TSORATRA FANDRAVANA NY CENI (Pétition pour la Dissolution de la CENI)

Hita sy tsapa amin’ ny zava misy eto Madagasikara sy ny toe-draharaha politika fa tsy nitondra fiovana akory ny fifidiana rehetra tamin’ny taona 2014, ary mbola tsy tafavoaka amin'ny krizy tamin’ny 2009 ny Firenena.
Hatreto dia niniana tsy notanterahana hatramin’ny farany ny tondro-zotra.
Mazava ankehitriny fa ny CENI dia fitaovana hamiliviliana fifidiana manerana ireo tany Afrikana nozanahan’ny frantsay. Porofon’izany ohatra ny nitranga tao Gabon, vao maika hala-bato nitarika ady sy korontana no niseho.
Ankehitriny, tsy manaiky ambakaina intsony ny vahoaka malagasy, koa miangavy ampanajana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, izay mandray anjara amin’ny fikarakarana fifidianana "malalaka sy mangarahara" mba:
• Hiantoka ny fanovana ny lalam-panorenana izay manome vahana ny fanjakan’ olo-tokana
• Handrava ny CENI ka hametraka ny fifidianana eo ambany fifehezan’ny vondrona iray eken’ny rehetra fa mahaleo tena.
• Tsy ekena intsony ny Ni-Ni: Hiantoka ny fahafahan’ny olom-pirenena malagasy rehetra hilatsaka ho fidiana sy hifidy.
• Hiantoka ny mangarahara sy ny fahafan’ny rehetra mijery ny lisitry ny mpifidy (isa sy anarana)
• Hiatrika sy hanara-maso ny fanisam-bato isaky ny biraom-pifidianana tsirairay avy tsy ankanavaka manerana ny nosy fa tsy hionona fotsiny amin’ny valim-pifidianana avoakan’ny vondrona mpikarakara.
• Hiantoka ny fahafahan’ny rehetra mahita ny valim-pifidiana tsy misy atakandro
• Hametraka fanaraha-maso hentitra manodidina ny vola ampiasain’ny mpanao politika mandritra ny fifidianana sy ny fampiasana fitaovam-panjakana amin’ny fifidianana
Koa manainga mavesatra ny vahoaka malagasy hanao sonia ny fangatahana an-tsoratra (pétition) ao amin’ny :
https://secure.avaaz.org/…/La_communaute_internationale_O…/…

Manainga mavesatra ihany koa ireo fikambanana sy tsara sitrapo rehetra manohana ny ara-dalàna eto Madagasikara, hanao fanangonana sonia any amin’izay misy azy rehetra (ato amin’ity rohy ity : http://www.ttmr8.org/…/8/1/2/58126661/petition_papier_mg.pdf) ka handefa ny vokatra ao amin’ny : fihaonanatt@gmail.com


TTMR

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".